SamihafaSongadim-baovaoSosialy

NOHO NY TSY FANARAHAN-DALANA…: Tsy azo alefa amin’ny haino aman-jery ny hiran’i Zukkie Kardinnal iray

Nisy ny taratasy fampitandremana navoakan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina  ny faran’ny herinandro lasa teo, mahakasika ny fiparitahan’ilay hira mitondra ny lohateny hoe “Sombôra @  bongany”, izay hirain’I Zukkie Kardinnal. Araka ny fanazavana, tsy mifanaraka sy mifanohitra amin’ny Soatoavina malagasy ity hira ity, na ny tonony izany, na ny rakitsary. Ary ity mpanakanto ity ihany aza dia efa milaza ao anatin’ny rakitsary fa sokajiana ho “Explicit Music” ity hirany ity, ary tsy azo jeren’ny olona latsaky ny 18 taona. Tsy voafehy anefa izany, fa dia niparitaka eraky ny  tambazotran-tserasera sy ny Youtube ity hira ity. Ireo sehatra ireny izay tsy voafetra ny mpisera afaka mijery azy fa manana fahafaha-manokatra azy daholo na iza na iza. Eny fa na dia ireo ankizy tsy ampy taona akory aza. Izay no antony nanaovan’ny Minisitera tompon’andraikitra antso avo amin’ny tsy maintsy hanesorana io hira io amina sehatra hitan’ny besinimaro tahaka ireny. Tsiahivina fa araka ny lalàna 2020-006, tamin’ny 01 Septambra, ny fanohitohinana ny “Soatoavina” dia mametra ny fahalalahana maneho hevitra. Io lalàna io ihany koa izay milaza ireo karazana sazy mihatra ho an’ireo izay minia mandika izany.

Fermer