Songadim-baovaoToekarena

FISOKAFAN’NY LANITR’I NOSY BE: Mpizahantany sy mpandraharaha 154 no ho tonga anio

Efa volana vitsivitsy lasa izay no nanambaran’ny Filoha Andry Rajoelina ny hisokafan’I Nosy Be amin’ireo sidina avy any ivelany, amin’ity andro anio ity. Tonga àry ny fotoana. Efa feno sy voapetrapetraka avokoa ireo fepetra ara-pahasalamana sy ara-pandaminana rehetra. Araka izany, mpizahantany sy mpandraharaha 154 no higadona voalohany any an-toerana anio amin’ny 02ora tolakandro.

“Tafapetraka eo anivon’ny seranan-tsambon’ny Nosy Be ireo fitaovana sy fepetra samihafa entina handraisana indray ireo mpitsidika sy ireo rehetra mampiasa io toerana io.”, hoy ny ampahany tamin’ny fampitam-baovao avy amin’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetra andro. Entina hilazana fa efa feno sy voahaja tanteraka ireo fepetra handraisana ny mpizahantany ao Nosy Be, amin’izao fotoana izao. Araka ny fanazavana voaray hatrany, mpandeha miisa 154 no higadona any an-toerana ho an’ny anio. Ny 25 amin’ireo dia teratany malagasy avokoa, ao anatin’ireo nampodiana an-tanindrazana. Ny ambiny rehetra kosa dia vahiny mpizahantany avokoa, izay avy any Eoropa ny ampahany betsaka. Araka ny efa fandaminana napetraka, tsy maintsy hatao fitiliana avokoa ireo mpandeha ireo eo am-pahatongavana. Ary miandry izany any amin’ny toerana voatokana. Tsy tokony hihoatra ny roa andro no fahazoana ny valin’ny fitiliana. Ho an’ireo teratany Malagasy, raha toa ka voamarina fa tsy mitondra ny tsimokaretina Coronavirus izy ireo, dia afaka mody any anivon’ny fianakaviana avy hatrany, na mivoaka an’I Nosy Be aza. Ho an’ireo vahiny mpizahatany kosa, raha toa ka voamarina fa tsy mitondra ny Coronavirus izy ireo vao afaka manatanteraka ireo hetsika rehetra tiany atao, isan’izany ny fitsidihana ireo toerana manamarika an’I Nosy Be sy ny sisa. Ny tsara ho marihana kosa anefa dia tsy azon’izy ireo atao ny mivoaka ny Faritr’I Nosy Be. Izany hoe, tsy azo atao ny miakatra aty Antananarivo ohatra, na mandeha any Antsiranana.

Arofenitra ara-pahasalamana

Raha tsiahivina, efa nisy ny fametrahana ny arofenitra ara-pahasalamana na « Protocole sanitaire », mba hisorohana ny mety hiparitahan’ny aretina indray, indrindra ho an’ny vahoakan’i Nosy Be. Io « Protocole sanitaire » io, izay nambaran’ny minisitra Randriamandranto Joel, fa efa nampahafantarina ireo mpandraharaha ara-pizahantany rehetra tany an-toerana. “Na izany ireo misehatra eo amin’ny fitarihan-dia, na trano fandraisam-bahiny, na toeram-pisakafoana, na mpampanofa fiara, dia samy manana ny arofenitra ara-pahasalamana tsy maintsy harahana avokoa”, hoy ny fanavazany. Araka izany, efa nisy ny fampiofanana natao ho an’ireo mpandraharaha sy mpiasa eo amin’ny sehatry ny fizahantany ireo nialohan’ny hahatongavan’ny mpizahantany. Taorian’izay, nisy ny taratasy fanekena nasaina nosoniavin’izy ireo, izay manambara ny fanarahana amin’ny antsakany sy andavany ireo fepetra voalaza. Nanamafy rahateo ny minisitra fa na misokatra aza ny fizahantany any an-toerana, dia hisy hatrany ireo toerana tsy azon’ny mpizahantany haleha, indrindra ireo toerana tsy hahafahana manaja ireo rindran-damina ara-pahasalamana rehetra takiana. Ankoatra izay, ho fanamafisana ireo fepetra rehetra efa voaomana, mbola napetraky ny minisitera omaly koa ireo « tunnel désinfectant », ireo « marquages au sol » samihafa ary ireo ekipan’ny fahasalamana izay manara-maso ny fahasalaman’ireo mpandeha baka sy sambo miditra eto Nosy Be, ho an’ny fitaterana an-dranomasina. …

Fermer