PolitikaSongadim-baovao
FITARAINANA TENY AMIN’NY CFM: Ananan-dRavalomanana 1 461 miliara ve izany ny Malagasy !
Ny hetsika rehetra atao ho fampanarahan-dalàna eto amin’ny tany sy ny Firenena dia inian’ny mpanohitra havadika resaka politika foana. Lohalaharana amin’izany ingahy Ravalomanana sy ny ekipany. Vao tsy ela ohatra no nakatona ireo orinasa Tiko maromaro noho ny resaka hetra tsy voaloa. Ankehitriny, mandefa fitarainana any amin’ny CFM indray izy ireo fa hoe ny Fanjakana hono no ananan’izy ireo 1 461 miliara ho fanonerana ny orinasan’izy ireo. Matoa miresaka Fanjakana dia volam-bahoaka no mihodina ao, ny vahoaka Malagasy ve izany no ananan-dRavalomanana vola?
Efa imbetsaka ny teo anivon’ny Foibem-pitantanana ny Hetra (DGI) no namerimberina fa tsy misy hidiran’ny resaka politika ny fanakatonana ny orinasa Tiko sy ny Triple A hatramin’izay. Toy ny orinasa rehetra tsy nahaloa hetra, na misy antontan-taratasy tsy ara-dalàna ara-ketra, dia misy ireo pitsopitsony araka ny lalàna tsy maintsy arahana mba ho fampanarahan-dalàna. Tsy maintsy miafara amin’ny fanakantonana izany rehefa tsy voahitsy ireo tsy ara-dalàna. Mahakasika ny orinasan-dRavalomanana, efa nisy ny taratasy fampitandremana sy fampahafantarana mialoha nataon’ny DGI, saingy tsy nasiany tohiny anefa izany. Ankehitriny nakatona ny orinasa, ary izao iniana hitadiavana antony ara-politika izao indray. Milaza andriamatoa Ravalomanana fa ny Fanjakana indray hono no ananany vola hatrany amin’ny 1 461 miliara. Resahany amin’izany ny fanonerana ny fahapotehana nisy tamin’ity orinasa ity tamin’ny 2009. Tsy misy hifandraisany amin’izany mihitsy anefa ny zava-misy ankehitriny. Fampanarahan-dalàna no atao. Ary raha nisy izany voalaza ao anatin’ny tondrozotra izany, mahakasika ny resaka fanonerana ireo orinasa potika tamin’ny krizy politika, maninona no izao vao rototra tamin’izany fa nangina nandritra ny taona maro? Fialàna bala amin’ny fandoavan-ketra, noho izany, ny an-dRavalomanana. Ary koa, raha ny Fanjakana ankehitriny no tereny handoa io vola 1 461 miliara io, moa ve tsy toy ny mitaky izany amin’ny vahoaka malagasy ihany? Tsara ho fantatra fa volam-bahoaka no tantanin’ny Fanjakana fa tsy hoe volan’ny mpitondra ankehitriny akory.
Tsy misy hidiran’ny CFM
Rehefa nisy ny fanakatonana nataon’ny DGI noho ny resaka hetra tsy voaloa, nihazakazaka nankeny amin’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy ny ekipan-dRavalomanana. Mahalasa saina ihany hoe inona no hifandraisan’ny hetra tsy voaloa sy ny CFM? Ny olona rehetra manana olana ara-ketra ve izany tokony ho eny amin’ny CFM daholo? Mazava ny antom-pisian’ny CFM fa hanatanteraka iraka ho fampihavanana ny samy Malagasy, indrindra amin’ny disadisa politika isan-karazany. Ka tsy misy resaka politika mihitsy ity raharaha ity, ary tsy tokony ho terena ho lasa resaka politika. Tsiahivina fa tamin’ny andro fitondran-dRavalomanana dia betsaka ireo orinasa nikatona, saingy tsy nisy afa-nanoatra izy ireny satria niharan’ny tsindry sy ny tsy rariny nataon’ny mpitondra tamin’izany. Ary tsy nisy tamin’izy ireny koa nahavita nitondra fitarainana tany amin’ny CFM na izay rafitra nitovy tamin’izany. Kanefa ireny orinasa ireny dia tsy hoe tsy manara-dalàna fa nikatona fotsiny tsotra izao noho ny fikatsahana tombontsoa manokana nataon-dRavalomanana.
Ny Fanoratana.




