PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

OZININA PHARMALAGASY : Hamokatra fanafody 13 karazana

Hambompom-pirenena, ary mampirehareha ny fananana fotodrafitrasa goavana misehatra amin’ny fanamboarana fanafody, tahaka ny Pharmalagasy, izay vao notokanana, omaly. Vokatra voalohany navoakan’ity orinasa malagasy ity ny CVO+ izay miendrika « Gélules ». Fanafody 13 karazana kosa anefa no kasaina hovokarina ao amin’ity toerana ity, ao anatin’ny telo taona manaraka, araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Repoblika.

Tetikasa efa voasoratra ao anatin’ny velirano sy ny Vina ho an’ny fisandratan’i Madagasikara ny hanome fahasalamana ho an’ny rehetra, amin’ny fotoana rehetra. Betsaka ny ezaka efa nataon’ny Fitondram-panjakana hahatrarana izany, ary anisany ny fananganana ny ozinina Pharmalagasy. Ankoatran’ny CVO +, izay efa vokariny amin’izao fotoana izao, hamokatra fanafody 13 karazana hafa ihany koa ny ozinina Pharmalagasy. Ireo fanafody ireo izay saika ireo tena ilain’ny Malagasy eny amin’ireo toeram-pitsaboana ifotony samihafa, na eny amin’ny hopitaly lehibe koa. Tafiditra ao anatin’izany ny famokarana ny fanafody kohaka, ny tosidrà, ny areti-kibo, ireo antibiotika sy vitamina isan-karazany. Rehefa vokarina eto an-toerana ny fanafody dia midika izany fa hirary koa ny vidiny, ary ho sahaza ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Notsindrian’ny Filoha fa efa ananantsika eto Madagasikara avokoa ny akora fototra rehetra, fa tsy mila manafatra avy any ivelany intsony isika. Nambarany fa teo aloha I Madagasikara dia nanondrana akora fototra tany ivelany. Izany hoe, fanafody efa vita indray avy eo no raisin’I Madagasikara, hany ka tsy maintsy ambony ny vidiny.

Teo anatrehan’izany, nidera sy nankasitraka ny ezaka vitan’I Madagasikara ny avy eo anivon’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny Fahasalamana eto amintsika, ary milaza fa manohana hatrany ny ezaka ataon’ny firenena amin’ny fikarohana sy ny fandalinana ny vokatry ny zava-misy eo aminy.

Toy izao no endriky ny CVO+

Mamokatra CVO+ 22 500 isa-minitra

Araka ny fanazavana nentin’ny Filoha Andry Rajoelina, gélules CVO+ miisa 22 500 no vitan’ny ozinina Pharmalagasy isa-minitra. Izany hoe, mahatratra hatramin’ny CVO+ 1 350 000 isa isan’ora no taha-pamokaran’ity ozinina ity, araka ny nambaran’ny Filoham-pirenena, na 32 000 000 isanandro. Nambarany fa sangany aty amin’ny ranomasimbe indianina I Madagasikara amin’ny fananana ity ozinina ity. Omaly no naseho ireo vokatra CVO+ voalohany novokarin’ity orinasa malagasy ity. Anisany fitaovana raitra sy aingana indrindra no miasa ao amin’ny Pharmalagasy, hoy ny Filoha.

Araka ny fanazavana, artemizia 100 grama sy singa avy amin’ny Ravintsara no mandrafitra ny CVO+. Ny ravintsara izay efa nahafantarana ny Malagasy hatramin’ny ela, ary efa mampalaza an’I Madagasikara manerantany.Ankoatra ny fanamafisany ny hery fiarovana, manampy amin’ny fitsaboana aretina hafa koa ny CVO+, toy  ireo aretina azo avy amin’ny tsimokaretina, ny tazomoka, Dengue, ny bilarziozy, ny areti-kibo sy ny fanaintainana rehefa fotoan’ny fadim-bolana, ho an’ny vehivavy. Ny famokarana ny CVO+ ny notanterahana nanaraka ny an-tanan-tohatra rehetra, ary nanaja ny fenitra iraisam-pirenena, hoy ny Filoha. Tsara marihana fa nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny orinasa Bionnex sy ny Centre National d’Application de Recherches Pharmaceutiques (CNARP) tamin’ny famolavolana ity CVO+. Ity.  Omaly no notokanana ny ozinina Pharmalagasy, izay nanolo ny orinasa fanamboarana fanafody (Ofafa) teo aloha etsy Tanjombato.

Fermer