Songadim-baovaoToekarena
FANATANTERAHANA VELIRANO : Vita ny « Avotra Résidence » eo Ampefiloha
Velirano nataon’ny Filoha Andry Rajoelina sy politika napetraky ny Fanjakana ny fanorenana toeram-ponenana sy tanàna vaovao mba hisitrahan’ny malagasy rehetra trano fonenana mendrika. Ao anatin’ny fanatanterahana izany velirano izany no nanorenana ny toeram-ponenana « Avotra Résidence » eo Ampefiloha. Trano lehibe misy rihana efatra, misy trano fonenana sivy isaky ny rihana. Misy karazany roa ireo trano fonenana isaky ny rihana, trano fonenana misy efitra telo (F3) misy efitrano fatoriana roa sy efitra fandraisam-bahiny, sy trano fonenana misy efitra efatra (F4) misy efitra fatoriana telo sy efitra fandraisam-bahiny. Nanao fitsidihina ofisialy izany trano izany ny Ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy, Hajo ANDRIANAINARIVELO, omaly zoma 2 oktobra 2020. Ny orinasa SEIMAD no nisahana ny tetikasa. Ity orinasa ity izay ahian’ny fanjakana ary iadidian’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy, ary miompana amin’ny fanorenana toeram-ponenana sy trano fonenana ny asa tanterahiny.
Takatry ny fahefa-mividin’ny Malagasy
« Afaka misitraka izao toeram-ponenana izao avokoa ny malagasy rehetra, ary manatona ny orinasa avy hatrany raha manana faniriana amin’izany”, araka ny fampitam-baovao. Afaka aloha tsikelikely ny vidin’ny trano, ary misy fifanarahana atao amin’ny orinasa SEIMAD sy ny mpanjifa amin’izany, hoy hatrany fanazavana. Manaraka ny fenitry ny fanorenana rehetra ireo trano fonenena ireo ary natao ho takatry ny fahefa-mividin’ny Malagasy ny karazana toeram-ponenana ahorin’ny orinasa. Marihana fa efa maro ireo tetikasa nataon’ny orinasa SEIMAD, toy ny eny Betsizaraina, Amborovy Mahajanga, ary hipariaka any amin’ny faritra izao fanorenana toeram-ponenana ho an’ny malagasy rehetra izao.




