SamihafaSongadim-baovaoSosialy

FANADINANA BEPC: 53,99% ny taha-pahafahana teto Analamanga

Tsy araka ny tebitebin’ireo mpianatra sy ireo ray amandreny, nahitana fihatsarany ny voka-panadinana BEPC ho an’ny Faritra Analamanga. Raha ny tatitra, tafiakatra 53,99% ny taha-pahafahana ho an’ny teto Analamanga. Afakomaly alina no nivaly ny fanadinana.

Saika efa nivaly avokoa ny fanadinana BEPC ho an’ireo Cisco rehetra eto amin’ny Faritra Analamanga. Omaly kosa vao saika nirodorodo nijery ny anarany teny amin’ny ivon-toeram-panadinana niatrehana ny Bepc ireo ankizy sy ireo ray aman-dreny. Tsara ny vokatra tamin’ny ankapobeny. Tafiakatra 53,99% mantsy ny taha-pahafahana ho an’Analamanga, araka ny fanadihadiana. Izany hoe, manodidina ny mpiadina 35 851  izany no afaka soa aman-tsara teto amin’ny Faritra Analamanga. Niakatra io taha-pahafahana io raha nitaha ny tamin’ny heritaona izay tsy nisy afatsy 38,14%. Isany nitana ampahany betsaka amin’ny fiabon’ny antontanisa ny teto amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra izay tafiakatra hatrany amin’ny 51,74% , ny tahan’ireo nahazo ny diplaoma BEPC. Nahitana fiakarany io raha nitaha ny tamin’ny taon-dasa satria tsy nisy afatsy 36,91% no afaka tamin’izany. Tamin’ny ankapobeny, tsy araka ny neritreretina ny valin’ny fanadinana, raha fahatapahan’ny fampianarana sy ny fihibohana no nasian-teny. Ireo mpiadina rahateo koa nanamafy fa nisy hatrany ny fianarana sy ny famerenana natao tany an-tokantrano tsirairay na dia teo aza ireny fahasarotana nisy teto amintsika ireny. Ary nanampy izany koa, saika tsy nanahirana ireo mpiadina tamin’ny ankapobeny ny niatrika ny laza adina rehetra, izay niraisan’ny fari-piadidiam-pampianarana rehetra nanerana ny Nosy.

Azo jerena ao amin’ny Facebook

Zava-baovao tamin’ity taona ity ny nanomezan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tolotra manokana hahafahan’ny rehetra manontany ny valim-panadinana ao amin’ny Pejy Facebook-n’ny Minisitera ihany. Tolotra izay tsy andoavam-bola fa maimaim-poana ho an’izay mampiasa ny tambazotran-tserasera rehetra. “Mitsidika ny pejy facebook-n’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fotsiny, dia mandefa hafatra miafina, ary manaraka ireo toromarika efa voarindra mialoha”, araka ny fanazavana. Ankoatra izay, misy koa ny fahafaha-mijery izany ao amin’ny tranonkalam-pifandraisan’ny minisitera ao amin’ny www.education.gov.mg, amin’ny fampidirana ny laharana tamin’ny fanadinana sy ny anarana. Zary efa mahazatra ny rehetra koa anefa ny manontany ny valim-panadinana amin’ny alalan’ny finday, amin’ny fiantsoana ny laharana 601. Hatramin’ny omaly hariva, efa maro ireo Cisco no namoaka ny valim-panadinany, raha tsy hilaza afatsy ny Ciscon’Anjozorobe, izay tafiakatra hatrany amin’ny 60,72% ny taha-pahafahana.

Fermer