SamihafaSongadim-baovaoSosialy
TSY FANJARIAN-TSAKAFO ANY ATSIMO: Efa misy fepetra raisin’ny Fanjakana
“Misy zana-tanana iray antsoina hoe Marovahatsy, ao amin’ny Fokontany Ambaro, 9km miala eo amin’ny CSB Ifotaka, izay tratry ny KERE”, io no tatitra azo avy amin’ny lehiben’ny CSB II Ifotoka ny fiandohan’ny herinandro teo. Ny alahady teo, nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Ben’ny tanàna tany an-toerana, niaraka tamin’ny lehiben’ny CSB II, izay nijerena marina ny tena zava-nisy tany an-toerana. Nandritra izany no nahafantarana fa 15 no isan’ny olona maty tato anatin’ny volana jolay-Aout-Septembre. Olona roa koa, 5 taona sy 15 taona, no efa hita fa tena mahia. Ary olona iray no maty tao an-toerana ny sabotsy teo. Notanisaina ireo tranga ireo entina hilazana fa tena misy ny Kere any atsimon’I Madagasikara. Na izany aza anefa, efa misy ireo fepetra sy fandraisana andraikitra aingana ataon’ny Fitondram-panjakana fa tsy hoe mijery mitazam-potsiny ny fahoriam-bahoaka akory.
Efa manao “Dépistage malnutrition”
Ireo voatanisa ireo no zavamisy any aminy tapany Atsimon’ny Nosy, indrindra ny ao Amboasary Atsimo. Etsy ankilany anefa, efa mirotsaka manao ny atao hoe “dépistage malnutrition” ny ekipan’ny Fahasalamambahoaka ao Faritra Anosy aminizao fotoana izao. “Efa nifampresaka taminy Prefet ,ny ORN izahay ka handefa fanampiana any ny Prefet ary efa niantso ny PAM ihany koa ,Ny ao amboasary dia misy ny ACF manampy aminy riposte toy izao”, hoy ny tatitra avy amin’ireo tompon’andraikitra avy any an-toerana . Ekena fa tena misy tsy fanjarian-tsakafo sy Kere any Atsimo, saingy efa misy ny ezaka atao hamahana izany olana izany. Vahaolana izay voasokajy ho fohy ezaka sy lavitr’ezaka, ary misy ireo vahaolana maika. Tafiditra ao anatin’izany ny hetsika rehetra efa ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana any an-toerana, toy ny fanangonana faran’izay haingana ny vokatry ny fitiliana ny tsy fanjariantsakafo izay vao natao tamin’ny herinandro. Eo koa ny fanaovana “consultation externe” any antoerana ao anatin’ny fotoana faran’izay fohy. Manaraka izany, ny fametrahana ny “site de PEC Malnutrition mobile”, izay hiarahana miasa amin’ny ACF. “Marihina fa ampy tsara ny intrants ahafahana miatrika ity tsifanjariantsakafo ity fa ny fanafody no mila ampiana”, araka ny tatitra azo avy any an-toerana hatrany.
Tsiahivina fa efa misy ankehitriny ny tetikasan’ny Fitondram-panjakana hametraka orinasa mamokatra sakafo any Atsimon’ny Nosy. Tetikasa azo refesina sy misy fiantraikany mivantana amin’ny mponina no hoentina sy hotanterahana any Atsimo, mba tsy hiverenan’ny Kere tahaka izao intsony.




