PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialyToekarena
FILOHA ANDRY RAJOELINA: “Tsy hanao politika intsony aho raha tsy vita ny RN13”
Tsy hisy faritra ho adino intsony amin’ny asa fampandrosoana eto Madagasikara. Io hatrany no fanamby hapetraky ny Filoha any amin’ireo toerana rehetra tsidihiny, ary hanaovany fampanantenana. Ho an’ny tapany Atsimon’ny Nosy manokana, fanamby lehibe no nataon’ny Filoha Andry Rajoelina, omaly, tao amin’ny fahitalavi-pirenena. “Tsy hanao politika intsony aho raha tsy vita ny RN13”, hoy izy.
Lalam-pirenena faha-13, mampitohy an’Ihosy sy Taolagnaro. Manodidina ny 493 kilometatra eo ny halavan’ny lalana. Ary nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina fa tamin’ny taona 1974 no nisy fikitihana farany. Ary hatramin’izao dia tsy nisy nijery sy nanatsara intsony izany. Efa fampanantenana nataon’ny Filoha ankehitriny ny hanao io ampahan-dalana mampitohy faritra telo io, dia ny faritra Ihorombe, Androy, ary Anosy. Omaly, nandritra ny fandaharana manokana nataony tao amin’ny fahitalavi-pirenena no nanamafisan’ny Filoha indray izany fampanantenana izany. “Tsy hanao politika intsony aho raha tsy vita ny RN13”, hoy ny Filoha. Tsy hiandry ela fa amin’ny fiandohan’ny taona ho avy izao ihany dia hanomboka ny asa, hoy izy. Tsy maintsy vita io ampahan-dalana io, araka ny notsindrian’ny Filoha. Fototry ny fampandrosoana tokoa ny fanamboaran-dalana, ary antoka hahafahana mampandroso ny toekaren’ny faritra. Raha tsy hilaza afatsy ny sehatry ny Fizahantany izay tokony hiroborobo tokoa any amin’ny Distrikan’I Tolagnaro, saingy, noho ny haratsin’ny lalana dia mandeha araka ny tokony ho izy izany sehatra izany. Ho an’ny faritra Anosy manokana, ankoatran’ny fanamboaran-dalana dia efa mipetraka koa ny vina fametrahana ny Kianja Manarapenitra, Oniversite, ny ozinina lehibe famokarana sakafo izay hampiasa olona maro.

Vahaolana ho an’ny Kere
“Tonga izao ny fotoana hanovana ny tantara amin’ny ady amin’ny KERE any Atsimo” hoy ny Filoha nandritra ny fitsidiham-paritra nataon’ny Filohampirenena tany amin’ny fokontany, kaominina sy distrika isany voakasiky ny tsy fahampian-tsakafo sy ny tsy fanjarian-tsakafo noho ny haintany. Nisantarany izany fitsidihana izany ny fokontany Ambarankilimahavatse, Kaominina Ifotaka, Distrikan’Amboasary Atsimo, Faritra Anosy. Ity fokontany ity izay isany ahitana tokantrano sy zaza amam-behivavy tratry ny tsy fanjariantsakafo lalina sy mitarazoka. Taolana mifono hoditra avokoa ny ankamaroan’ny olona ao an-toerana. Ary ahitana ireo zaza be kibo nefa mahia ihany koa, izay mariky ny tsy fanjariantsakafo hatrany. Nandre ny tatitra momba ny hanoanana iainan’ny mponina any an-toerana ny Filoham-pirenena. Antony nahatonga azy nidina nivantana tany an-toerana fa tsy nandefa iraka. “Tsy avela irery hiatrika ny hanoanana sy ny tsy fahasalamana vokatry ny haintany ny mponina ato amin’ity Fokontany ity”, hoy ny Filoha, ny sabotsy teo. Ny Filoha Rajoelina izay ambaran’ny manam-pahefana ao an-toerana fa Filoha voalohany tonga tany an-toerana.
Fametrahana ny toby fanarenana ara-tsakafo
Tsy nitsidika fotsiny ihany ny Filoha, raha nandalo tany amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy iny, fa nitondra vahaolana avy hatrany. Noho izany, ho famonjena haingana ny mponina dia efa tonga any an-toerana ny kamiao lehibe mitatitra rano. Tetikasa maharitry ny Filoha kosa ny hisintonana rano ao amin’ny reniranon’i Mandrare sy Efao, ary ny fitaritana izany ao amin’ny Fokontany mba hahazoan’ny mponina rano fisotro madio. Etsy ankilany, paikady hanavotana ireo mponina tratry ny tsy fanjariantsakafo kosa ny fametrahana ny toby fanarenana ara-tsakafo sy fitsaboana maimaimpoana. Hapetraka ao amin’ny Fokontany ny toby ary hatsangana amin’ny distrika hafa mila izany koa. Ity toby ity izay natao handray an-tanana ireo olona osa sy tsy afa-mitsangana noho ny hanoanana. Hisitraka sakafo masaka isanandro ihany koa manomboka izao ireo zaza. Sakafo be otrikaina no homena azy ireo ahitana koba aina, moringa sy Spiruline. Haharitra volana maromaro ny fizarana maimaimpoana.
Fizarana ny vola “Fiavota”
Nizara vary amin’ny gony sy menaka ihany koa ny Filoha. Ireo fanomezana ireo dia vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny PAM izay nahatonga ny solontenany tany an-toerana tamin’io fotoana io. Nanambara ny Filoha fa hisy ihany koa ny fizarana ny vola Fiavota izay tetikasa iarahana amin’ny Banky Iraisampirenena sy ny FID ho famonjena ny olona any atsimo hatrany. Miisa 41 ireo Fokontany hahazo izany ao amin’ny Kaominina Ifotaka. Nahazo avokoa ny Fokontany vokatry ny fandresendahatra nataon’ny Filoha tamin’ireo mpiara-miombon’antoka mahakasika ny maha-zavadehibe izany. Hisitraka fitafiana sy kojakojandakozia ihany koa ireo mponina, araka ny fampanantenana nataon’ny Filoha. Faritra maro no notsidihin’ny Filoha ao anatin’ny hetsika vonjy aina nataony tany Atsimo, manoloana ny haintany sy ny hanoanana. Isany izany ny tao Behara Kaominina Ifotaka hatrany, ny tao Ebelo sy tao Tsihombe.




