PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

FILOHA TAO TSIHOMBE : « Saziana izay tompon’andraikitra tsy mahavita ny asany »

Nanamarika iny faran’ny herinandro teo iny ny Fitsidihan’ny Filoha Andry Rajoelina tany amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny. Ho an’ny omaly, tao Tsihombe no nandehan’ny Filohan’ny Repoblika, nijerena ny zava-misy any an-toerana, indrindra amin’izao vanim-potoan’ny haintany sy ny Kere izao. Nilaza ny Filoha tany an-toerana fa hiharan’ny sazy izay tompon’andraikitra tsy manao araka ny tokony ho izy ny asany manoloana ny fahasahiranan’ny mponina.

Ankoatra ny toe-tany sy ny toe-trano mety mahatonga ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fahasahiranan’ny mponina, antony lehibe mampitaraina ny maro koa ny ataon’ireo mpitondra eny ifotony izay tsy manao ny asany araka ny tokony ho izy. Nandritra ny fandalovan’ny Filoha tao amin’ny Distrikan’i Tsihombe no nitenenany ireo tompon’andraikitra any an-toerana mahakasika izany tranga izany. « …izay tsy mahavita ny asany dia ho esorina avy hatrany eo amin’ny toerany”, hoy ny Filoha Rajoelina. Nilaza kosa anefa izy fa misy ireo tompon’andraikitra no tsy manana fitaovana entina miasa. Eo anatrehan’izany, “mila omena fitaovana entina miasa aloha ny tompon’andraikitra iray izay vao saziana raha tsy mahavita ny asany”, hoy izy. Fotoana izay nilazan’ny Filoha fa tokony hanao ny andraikiny araka ny tokony ho izy daholo ny tompon’andraikitra rehetra isan-tokony.

Vahaolana amin’ny Kere

Teo anatrehan’izany, tsy niandry ela fa nisy ny fanolorana fitaovana nataon’ny Filoha ho an’ireo tompon’andraikitra any an-toerana, isan’izany ny fiara tsy mataho-dalana ho an’ny Prefet ny Ambovombe sy ny kamiao mpitatitra fako miisa 5 ho an’ny Tsihombe ary ny vatsy tsinjo. Marihana fa efa nampanantena ny hijery manokana ny lalam-pirenena faha-13 koa ny Filoha, tao Taolagnaro. Ankoatra izay, fampanantenana maro no nataon’ny Filoha. Ny tena maika, hoy ny Filoha, dia ny sakafo sy rano ka dia nanome vahaolana maika avy hatrany izy mahakasika ny Kere. Isan’izany ny Vatsy Tsinjo, izay hahazoan’ireo tokantrano rehetra tena marefo anjara. Mahakasika ny rano, hisy ny fanaovana lava-drano maromaro, ary ho jerena ihany koa ny renirano ao Ifaho ka haparitaka faran’izay azo hatao mba hisitrahan’ny vahoaka rano fisotro madio. Eo amin’ny lafiny sakafo, hatsangana ny ivo-toerana izay ho entina hanampiana ara-tsakafo sy ara-pahasalamana ireo olona tena marefo na ny “centre nutritionnel intensif et medical” ka distrika 4 no hisitraka izany dia i Amboasary Atsimo, Ambovombe, Tsihombe ary i Beloha. Fotodrafitr’asa izay entina hanampiana ireo zaza sy olona hita fa tena tsy ampy sakafo ka hisy ny fanaraha-maso akaiky azy ireo ary hanaraka” programme nutritionnel”.

Fampanantenana hafa

Mbola nisy ihany koa ireo fotodrafitr’asa hafa sy fampanantenana izay nataon’Atoa Filoha.  Isan’izany ny fanomezana fitaovam-pianarana na“kit scolaire” ireo mpianatra ao amin’ny EPP rehetra ao Tsihombe ary hisitraka EPP manara-penitra ihany koa. Eo amin’ny lafiny fanatanjahantena indray dia nampanantena kianja manara-penitra ho an’i Tsihombe ny Filoha. Namaly ny antson’ny Masera ihany koa izy ka nanolotra fiara ambulance tsy mataho-dalàna iray sy fitaovana ao anatiny ary « carte carburant », nanolotra fandrina, sy fanampiana maro samihafa. Nanolo-kevitra ny Filoha ny mba hanaovana ilay ivo-toerana na “centre nutritionnel et medical”ao amin’ny masera.

Fermer