Non classé
FIZAHANTANY AO NOSY BE : Vinavinaina hisokatra amin’ny fiandohan’ny oktobra
Manodidina ny 135 miliara ariary eo no fatiantoka ara-toekaren’i Madagasikara, hatramin’ny nidiran’ny valanaretina Covid-19 teto amintsika, araka ny nambaran’ny Filohan’ny Repoblika. Isany nampiakatra be io fatiantoka io ny fikatsoan’ny sehatry ny fizahan-tany izay mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny toekarem-pirenena. Isany paik’ady mahomby hanarenana aingana ny toekarena, noho izany, ny fanosehana ny lafiny fizahan-tany ho an’i Madagasikara. Afak’omaly, notanterahina tao Nosy Be ny fihaonan’ny Filoham-pirenena amin’ireo mpandraharaha ara toe-karena misehatra eo amin’ny fizahantany. Fihaonana izay natao manokana mba hifampitafana sy hifanakalozan-kevitra mikasika ny fanarenana ara toe-karena aorian’izao kirizy ara-pahasalamana izao. Ny sehatry ny fizahantany dia isan’ireo sehatra tena voakasiky ny fahavoazana ateraky ny fipariahan’ny valan’aretina Covid-19. Araka izany, isan’ireo nandray anjara tamin’ny fihaonana koa ny Minisitry ny Fitaterana, ny fizahantany ary ny toetr’andro, ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola, ny Minisitry ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy ary ireo teknisianina isan-tokony.Arofenitra ara-pahasalamana
Nohamafisin’ny Filoha Rajoelina Andry, nandritra ny fihaonany tamin’ireo mpandraharaha ara-toe-karena misehatra amin’ny fizahantany tao Nosy Be, ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana hanarina ity seha-pihariana ity. Taorian’ny fangatahana nataon’ireo mpandraharaha no nanambaran’ny Filoham-pirenena ny handinihana ny mety hisokafan’ny sehatry ny fizahan-tany ao Nosy Be. Ka izany fisokafana izany dia azo vinavinaina ho any amin’ny fiandohan’ny volana oktobra any ho any. Notsindriany manokana anefa fa ny fisokafan’ity seha-pihariana ity ao an-toerana dia miankina indrindra amin’ny fivoaran’ny fihombon’ny valanaretina Covid-19. Ary koa, raha tsy maintsy ho sokafana ny sidina sy ny fizahan-tany amin’ny ankapobeny, dia tsy maintsy hapetraka ireo arofenitra ara-pahasalamana rehetra mifanaraka amin’izany. Isan’izany, ohatra, ny tokony hanaovana fitiliana ireo mpizahan-tany ho avy aty Madagasikara, mialohan’ny hiaingana any ivelany. Mazava ho azy fa rehefa hita fa mihiba ny valin’ny fitiliana vao mahazo makaty Madagasikara ilay olona. Rehefa tonga aty koa anefa dia tsy maintsy tiliana ny mpizahan-tany vao afaka mivezivezy. Tetsy andaniny, anisan’ny vahaolana naroson’ny Fitondram-panjakana ho an’ireo mpandraharaha izay tsy maintsy mindram-bola amin’ireo sampam-pampindrimam-bola madinika, ny fanalefahana ny tahan’ny zana-bola ao anatin’ny 12 volana. Marihina anefa fa natokana ho an’ireo mpiasa efa ara-dalàna eny amin’ny Cnaps izay fepetra izay.
Sidina Dubai – Nosy Be
Manodidina 80 000 isan-taona eo ny mpizahan-tany tonga mitsidika an’i Nosy Be ankehitriny, araka ny nambaran’ny Filoha. Tanjona ny hiakaran’izany hatramin’ny 100 000 isan-taona, hoy izy. Nentaniny kosa anefa ireo mpandraharaha mba hanampy isa ireo fotodrafitr’asa handraisana ireo mpizahan-tany, mba hifanaraka amin’ny isa kasaina ho tratrarina. Ho an’I Nosy Be manokana, vaovao lehibe nambaran’ny Filoha Rajoelina ny fikasana hanokatra ny sidina mampitohy an’I Nosy Be sy Dubai mivantana. Efa mandeha ny fifampiraharahana eo amin’ny kaompany “Emirats”, hoy izy nanazava. Etsy ankilany, nanamafy ny Minisitra misahana ny fizahan-tany fa efa hataon’ny Fitondram-panjakana, ankehitriny, lohalaharana ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahan-tany. Manam-porofo izany ny Teti-bola manokana natokana ho amin’izany, ao anatin’ny teti-bolam-panjakana ankehitriny. Nohamafisin’ity minisitra ity fa fotoana izao hamolavolana paik’ady mahomby ho an’ny fizahan-tany eto amintsika. Isany nifampidinihana tamin’ireo mpandraharaha ara-pizahan-tany tany Nosy Be, ohatra, ny fampitomboana ny fahaiza-manaon’izy ireo eo amin’ity sehatra ity. Efa vinan’ny minisitera, rahateo, koa ny hampiroboro ny “fizahan-tany anatiny”, indrindra tamin’izao fanidiana sisin-tany izao. Ho an’I Nosy Be manokana, ny taona 2018, nahatratra 45 000 ireo mpizahan-tany malagasy no tonga nitsidika tany an-toerana. Isa izay efa nahitana fiakarany be, raha mitaha ny taona 2016, izay nanodidina ny 4 500 teo ihany.

