PolitikaSongadim-baovao
FILOHA ANDRY RAJOELINA: Omena birao manarapenitra ireo sampandraharaha manakaiky vahoaka
Antony tsy mampazoto ireo mpiasam-panjakana handeha hiasa amin’ny toerana iray ny tsy fisiana fotodrafitrasa sy ny toeram-piasana mifanaraka amin’ny fenitra tokony ho izy. Izay no hametrahan’ny Filoha Andry Rajoelina ny vina fananganana birao manarapenitra ho an’ireo sampandraharaha manakaiky vahoaka rehetra manerana ny Nosy. Efa nisantatra izany ny Fitaleavam-paritry ny Polisim-pirenena ao Anosy izay vao notokanana omaly.
Miova manomboka izao ny fomba fiasa amin’ny fitantanana ny sampandraharaham-panjakana, araka ny fanambarana nataon’ny Filoha, tao amin’ny renivohitry ny Faritra Anosy, omaly. Araka ny fanazavana, hapetraka ny Fotodrafitrasa handraisana ireo mpiasam-panjakana voatendry hanao asa any amin’ny faritra, amina sampandraharaha manakaiky ny vahoaka. Isany izany ny Hopitaly sy ny toeram-pitsaboana fototra, hoy izy. “Tsy ho sazy fa ho karazana « promotion » ny fandefasana ny mpiasam-panjakana mamitaka iraka any amin’ireny toerana lavitra ireny. Mba hahatanteraka izany dia tsy maintsy hapetraka ireny Fotodrafitrasa manarapenitra ho fandraisana azy ireny”, hoy ny fanazavan’ny Filoha. Hanaovana « plan de carrière » ihany koa ny mpiasam-panjakana mahavita ny asa, raha ny nambarany hatrany.
Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Anosy
Ho an’ny omaly, notokanan’ny Filoha Andry Rajoelina tao amin’ny fokontany Ampasikabo ny Birao manarapenitra vaovaon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka ao amin’ny Faritra Anosy. Izany hoe, birao faharoa notokanany taorian’ny tao Faritra Vakinakaratra. Araka ny fanazavana, ity no fotodrafitrasa manarapenitra voalohany ho an’ny Polisimpirenena tao anatin’ny 59 taona nijoroany tao amin’ny Faritra Anosy. Toromariky ny Filoha kosa ny hanomezana birao manarapenitra ho an’ireo sampandraharaha manakaiky ny vahoaka. Mbola hisy birao hafa enina, araka izany, an-dalam-panamboarana amin’izao fotoana izao any an-toerana. Hisy ihany koa ny biraon’ny Kaomisaria hapetraka isaky ny distrika tsy mbola nisy izany mihitsy, izay miisa 27 manerana ny Nosy. Ho an’ity vao notokanana tao Tolagnaro ity, goavana sy manarapenitra ny birao natsangana amina velarana 1700m2. Natsangana eo akaikiny ihany koa ny Biraon’ny Talem-paritra hitantanana ny Fitaleavana Anosy. Omaly ihany dia efa notolorana fiara tsy mataho-dalana 1 mahazaka olona 10 sy moto mitondra ny marika malagasy Gasy Car 2 ihany koa ny faritra.
“Centre Vonjy”
Tonga nitokana ny « Centre de prise en charge intégrées des enfants victimes de violences » na ny Centre Vonjy tao Bazary Be anatin’ny Hopitaly CHRR Philibert TSIRANANA ihany koa ny Filoha omaly maraina. Ivontoerana natao handraisana ireo zaza niharan’ny herisetra, indrindra ara-nofo, ny ivon-toerana. « Tsy ekena ny herisetra mahazo ny zaza” hoy ny Filoha. Manamafy ny fanohanan’ny Fanjakana ny ady amin’ny herisetra izay efa tarihin’ny Vadin’ny Filohampirenena Mialy RAJOELINA, masoivohon’ny ady amin’ny herisetra, araka izany, ny fametrahana ny “Centre Vonjy”. Etsy ankilany, nanolotra “concentrateur d’oxygène” ho an’ny hopitaly ihany koa ny Filoha izay azo ampiasaina tsara ankoatry ny fitsaboana ny covid-19. Nahazo “Ambulance médicalisée” koa ny hopitaly izay afaka mandeha amin’ny toerana ratsy lalana no azo hanomezana ireo fitsaboana haingana ilaina amin’ny vonjy aina. Nampanantena ihany koa ny Filoha fa hahazo “Scanner” sy “mammographie” ny hopitalin’i Tolagnaro.



