SamihafaSongadim-baovaoSosialy
ANTANANARIVO RENIVOHITRA : Notolorana mari-pankasitrahana ireo ankizy mendrika tamin’ny CEPE
Tsy araka ny fanahian’ny maro fa tsara ny voka-panadinana CEPE teto Antananarivo Renivohitra tamin’ny ankapobeny. Omaly, nisy ny fanolorana fanomezana sy mari-pankasitrahana nataon’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriatsitohaina mivady, ho an’ireo mpianatra mendrika indrindra tamin’izany fanadinana CEPE izany, avy amin’ireo boriborintany enina mandrafitra ny renivohitra.
Ho fanatontosana ny veliranon’Iarivo, mahakasika ny fanohanana sy ny fitsinjovana ireo ankizy eny amin’ny ambaratonga fototra, dia nitondra fanomezana sy naneho fankasitrahana ireo ankizy mendrika indrindra tamin’ny fanadinana CEPE farany teo ny Ben’ny tanànan’Antananarivo mivady, omaly. Izany no natao dia mba ho fampirisihana hatrany ireo zaza malagasy hianatra sy hanome vokatra tsara hatrany amin’ny asa hatao. Niisa 30 ireo ankizy notolorana mari-pankasitrahana omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Izany hoe, ankizy dimy isaky ny boriboritany eto Antananarivo. Marihina fa ankizy avy etsy amin’ny EPP Andrefan’Ambohijanahary no nahazo ny laharana voalohany tamin’ireo ankizy afaka CEPE farany teo teto andrenivohitra, izay nahazo ny naoty 18,30. Nambaran’ny Ben’ny tanàna nandritra izany indrindra fa natao io hetsika io ho fanampiana sy fampirisihana hatrany ireo zaza malagasy mba hazoto amin’ny sehatry ny fianarana. Ity hetsika ity izay notanterahana teo anatrehan’ireo Ray aman-drenin’ireo ankizy tsirairay sy ireo talen-tsekoliny avy. Natsidin’ny Ben’ny tanàna mivady ihany koa fa imasoana ny fanatontosana ny « cantine scolaire » mba hanampiana ireo mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana tsirairay.
« Diary nofy » sy ny kaominina Antananarivo…
Amin’ny maha ambasadaoron’ny fikambanana «Diary nofy » ny vadin’ny Ben’ny tanàna Naina Andriatsitohaina, nitondra ny anjara birikiny teo amin’ny fampivelarana ny seha-panabeazana ho an’ny zaza malagasy ihany koa ny tenany. Tao anatin’izany indrindra no nanolorany fanomezana ho an’ireo ankizy 30 izay sangany teto amin’ny Renivohitra. Anisan’izany ny kojakojam-pianarana, teo ihany koa ny « certificat d’Excellence au CEPE » ho an’ireo ankizy ireo. Anisan’ny nanampy betsaka tamin’ireo fanomezana izay nozaraina ireo ihany koa ny fikambanana tsy miankina hafa toy ny «Teach for Madagascar » ary « Friends madagadascar ».




