SamihafaSongadim-baovaoSosialy
KERE ANY ATSIMO: Nanolotra rano 15 000 tavoahangy ny Star
Mbola mitana ny sain’ny maro ny mahakasika ireo mpiray tanindrazana iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo noho ny hain-tany any Atsimon’ny Nosy amin’izao fotoana izao. Efa maro ireo fandraisana andraikitra nataon’ny Fanjakana. Tsy vitsy koa anefa ireo sehatra tsy miankina manolo-tanana amin’ny fanampiana ireo Malagasy any atsimo ireo. Anisany nitondra ny anjara birikiny tamin’izany ny orinasa Star, entina hanampiana ireo fianakaviana maro miaina ao anatin’ny mosary sy kere any an-toerana. Ny orinasa Star izay tsy mijanona fotsiny amin’ny maha orinasa ara-barotra azy fa misehatra ihany koa amin’ny fitsinjovana ny mahaolona. Eo anatrehan’izany, nanolotra Eau Vive 150 Cl miisa 15 000 tavoahangy ity orinasa ity, entina hanamaivanana ny fijaliana amin’ny rano hatrehin’ireo mponina any an-toerana. Hetsika izay mifameno tanteraka amin’ny tetikasan’ny Fanjakana, satria mila vahaolana aingana sy maika ireo mpiray tanindrazana ireo. Noho izany, tao amin’ny CSB I Befaitsy, Distrikan’Amboasary Atsimo no nanolorana ireo rano ireo, ka ny talen’ny Agence STAR Fort-Dauphin, Julien Lucky, no nitarika izany, niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy. Fotoana izay natrehin’ireo tompon’andraikim-panjakana teny an-toerana, ny « Association Fitia » ary ny PAM. Ho vitaina ao anatin’ny fotoana fohy ihany koa ny fitsinjarana izao fanampiana izao amin’ireo faritra samihafa voakasika, hoy ny fanazavana hatrany.




