Fanadihadiana Manokana

FAMOTSIANA OMBY HALATRA : Delege sy ny olom-boafidy no mpanamboatra ny taratasy

Antony mahasarotra ny ady amin’ny famotsiana omby ny fisiana dahalo ambony latabatra miray tendro amin’ny olon-dratsy. Ahitana delege sy olom-boafidy mihitsy no mandray anjara amin’ny fanamboarana ny antontan-taratasy, izay any amin’ny Faritra Matsiatra Ambony sy ny any Atsimon’ny Nosy no tena mahazo vahana…

Mbola sarotra ny ady amin’ny famotsiana omby.

Ny fisian’ny dahalo ambony latabatra no anisan’ny mbola mahasarotra ny ady amin’ny famotsiana omby halatra eto amintsika, ary ahitana izany avokoa rehefa Faritra.  Ny any amin’ny Faritra mianatsimon’ny Nosy iny no tena manjaka, toy ny any Matsiatra Ambony sy any Ihosy… Araka ny fanadihadiana natao, miainga any amin’ireo sefom-pokontany, hatrany amin’ny manamboninahitra sy ny mpitondra ambony sasany, mpanao politika ary mpandraharaha no miray tsikombakomba amin’ity karazana asa ratsy ity. Efa an-taonany maro no nisian’izany, ary anisan’ny mampirongatra ny asan-dahalo koa.  Ireo mpamotsy omby mampiasa mpanelanelana amin’ireo olom-panjakana sy ny olom-boafidy.  Nilaza ny HCJ iray tsy mitonona anarana avy any Matsiatra Ambony, fa mifampiaro ireo mpamotsy omby sy olona ambony ireo, ka rehefa misy ny tratra amin’izany, mandeha ny tsindry bokotra dia milamina ny raharaha, izay ahitana mpanao politika sy manamboninahitra eo anivon’ny Foloalindahy. Nahitana tranga tahaka izany tany Lalangina, ny volana desambra 2019, nahaverezana omby miisa 26. Tratra tany amin’ny toeram-pamonoana omby tany Ankidona ny efatra tamin’ireo omby ireo ny volana janoary teo, efa misy taratasin’omby ara-dalàna. Nisy olona voasambotra tamin’izany ka nisy ny delegen’ny kaominina tafiditra tamin’io raharaha maloto io.

Voalaza fa efa fanao any amin’ny tapany Atsimo iny ny manao taratasy rehefa lafo ny omby. Izany hoe, omby tsy misy taratasy no amidy ka rehefa vita ny fifampivarotana vao atao ny taratasy, ary efa misy mpikarakatra. Nanamarina izany ny ben’ny Tanàna ao Ambohimandroso Ambalavao sy ny lehiben’ny distrika Ambalavao. Izany toe-javatra izany no nahatratra ilay delege. Nisy tamin’ireo olona tratra ireo no efa nahazo fahafahana.

Efa nisy koa ny fijoroana vavolombelona nataona Patrôn’omby sy olona niasa teo anivon’ny kaominina efa misotro ronono, tany Ihosy ny taona 2019 teo, fa ny delege sy ny mpiasan’ny kaominina any an-toerana sy amin’ny kaominina maromaro manodidina an’Ihosy no tena mpanao ity famotsiana omby ity. Amin’ny alalan’ny fampiasana kahien’omby maromaro, ny FIB hosoka efa misy sonia sy fitombokasem-panjakana. Efa nanao taratasy nankany amin’ny SEG tamin’izany fotoana izany ireo mpandraharaha sy ny Patrôn’omby noho ny zava-misy.

 

Iadiana amin’ny famotsiana sy halatr’omby

Anisan’ny antony nanatanterahana ny  fametrahana ny « puce » amin’ny omby

Ny fomba fametahana ireo « puce » amin’ny omby.

Anisan’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena ny fametrahana ny « puce »-n’omby, mba hoentina hiadiana amin’ny halatra sy ny famotsian’omby. Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 16 mey 2019 tany Tsiroanomandidy Faritra Bongolava ny fametrahana ireo “puce électronique” ho an’ny omby, ka ny Filoha Andry Rajoelina no nisantatra izany tany an-toerana. Voka-pikarohan’ny tanora malagasy ireo “puce électronique” ireo. Tsy misy atahorana amin’ny fahasalaman’ny omby ary hahafaha-mamaritra mazava ny mombamomba ny omby tsirairay, ny lalana nodiaviny sy ny toerana misy azy mazava.

Nitohy tany amin’ny Faritra Menabe ny fametahana « puce » amin’ny omby, tao aorian’ny Kaominina Ambanivohitra Analaiva, dia ny Fokontany Marovoay, Kaominina Ambanivohitra Bemanonga indray no nanantanterahana ny fametahana ilay « puce »-n’omby ny 11 ny volana septambra 2020 teo, izay nokarakarain’ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono. Ny tanjona dia mba hahafahana miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, izay mihatra amin’ny fiompiana omby. « Tsy hijanona eto ihany fa mbola hitohy amin’ireo faritra mena amin’ny asan-dahalo ato anatin’ny Faritra ny hetsika. Miisa 1 000 ireo « puce électroniques » efa tonga, izay hoezahina haparitaka manerana ny distrika dimy ao anatin’ny Faritra. », hoy ny fanazavana.

Asan-dahalo

Avoakan’ireo olon-dratsy tsikelikely ny omby halatra fotsiana

Isan’ireo omby sarona saika hofotsiana.

Manomboka mihorohoro ireo dahalo sy ireo mpiray kopaka isasahana, momba ny halatr’omby tanterahina ankehitriny. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy izay,  dia mitady hevitra hamoahana ireo omby halatra fotsiana ireo olon-dratsy. Ho an’ny fokontany Ambaravaranala, kaominina ambanivohitra Anjoma Ramartina, distrikan’i Mandoto, dia nampandre ny borigadin’ny Zandarimaria ao Morafeno ny olona tsara sitrapo fa misy omby roa fotsiana ao amin’ny fokontany Vohimavo, ny 2 oktobra. Ny ampitson’io, tonga nizaha ifotony ny zava-misy ny zandary miisa roa. Omby miisa roa vakioloha sy mainty no sarona nentin’ny Coco sy Michel ho any Ambaravaranala. Rehefa nozahana ny momba ny taratasy mahakasika ireo omby, dia tsy  nanana izany izy ireo. Omby fotsiana avy any amin’ny fokontany Andranobe ireo sarona ireo. Voatery nogiazana avy hatrany tao amin’ny borigadin’i Morafeno ireo omby raha notazomina natao andrimaso kosa ireo roa lahy nitondra ireto omby halatra fotsiana ireto.

Omby tsy misy taratasy sy kavina…

Vao  ny 17 septambra 2020 teo, nampandrenesin’ny lefitry ben’ny Tanàna ao Ambatolahy distrikan’ Ihosy, ny tobim-paritry ny Zandarimaria ao Andiolava. Nambarany fa nandritra ny fisafoana nataon’ny Polisim-bohitra avy ao amin’ny fokontany Kelivondraka sy Ambinanitelo, kaominina Ambatolahy, distrikan’ Ihosy, ao an-tampon’Ihorombe, fa nahatsikaritra omby dimy tsy misy taratasy sy kavina izy ireo. Rehefa nohadihadiana,

olona roa tsy manana kara-panondro sy pasipaoro no nitondra ireo omby ireo  avy any Vohimary, kaominina Andiolava, saika andeha ho any Ihosy. Araka ny fanadihadiana natao,  Michel mpamboly monina ao Besavoa kaominina ambonivohitra, distrikan’ Ihosy ireo omby ireo. Nandray fepetra avy hatrany ny zandary tao an-toerana nanatontosa ny famotorana ka nampidiran am-balam-pamonjana ireo omby ireo. Notazomina avy hatrany ireo olona roa nitondra ny omby halatra fotsiana, ary natao avy hatrany ny famotorana ireo tompon’antoka. Tombanana, araka izany, fa manomboka tapi-dalan-kaleha ireo mpangalatr’omby, ka ny famoahana azy tsikelikely tahaka izao no fomba fiadin’izy ireo. Na izany aza, misy ireo mpiray tsikombakomba misakobon-doza miaraka amin’ireo olon-dratsy.

Telo lahy nanao kolikoly mivantana

Lasa miditra an-tsehatra manao kolikoly mihitsy ireo fianakavian’ny olon-dratsy.

Lehilahy anankiroa no voapaingotra tamina resaka halatr’omby tany Manakambahiny Atsinanana, distrikan’Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro, ny sabotsy 3 oktobra lasa teo. Tonga nanatona ny Kaomandin’ny Zana-tobim-paritry ny Zandarimaria ao an-toerana ny telo mianaka, mba hitady hevitra ny hamotsorana ireo roa lahy voarohirohy. Nanolotra lelavola kolikoly, mba ho sandam-pamotsorana ireo fianakaviany roa lahy voarohirohy amina raharaha halatr’omby. Lelavola mitentina 200.000 Ar no natolotr’izy ireo, saingy nolavin’ny Kaomandin’ny Toby Manakambahiny. Mbola niezaka ireo telo lahy nandresy lahatra sy nandraviravy vola maro, saingy nandray andraikitra avy hatrany ny Kaomandin’ny Toby ka nampihatra ny lalàna velona mikasika ny fanenjehana ny kolikoly. Nosokafana ny famotorana mikasika ny kolikoly, ary notanana natao andrimaso ireo telo mianaka. Nogiazana kosa, ireo lelavola natao porofo. Vokany, nidoboka any  am-ponja  avokoa izy ireo. Noho io fitondran-tena io, dia nanome fankasitrahana ireo zandary nanao ny asany an-kitsim-po ny Jly Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria sy ny Jly Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena. Rehefa tsy azo amin’ny resaka firaisana tsikombakomba amin’ny resaka famotsian’omby ny mpitandro filaminana, dia ny fanaovana kolikoly indray no tetika ataon’ireo olon-dratsy handraviraviana ireo mpiaro ny vahoaka sy ny fananany.

Rado Harivelo & Yas

Fermer