Songadim-baovaoToekarena
TOHO-DRANO AO AMBOHITROMBY ANKAZOBE: Hanondraka tanimbary hatramin’ny 120 hektara
85%-n’ny mponina ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambohitromby, dia mbola tantsaha mpamboly sy mpiompy avokoa, araka ny nambaran’ny Solombavambahoakan’Ankazobe, Ralalason Dera Harinjafimino. 5000 taonina isan-taona eo no voka-bary mivoaka avy ao amin’ity Kaominina ity. Isany sompitra amin’izany ny Fokontany Manazary sy Fieferana, na dia mbola eo aza ny olana sedrain’ny mponina amin’ny lalana. Manodidina ny 400 hektara ny velaran-tany hambolena vary ao an-toerana. Amin’izao fotoana izao, misy toho-drano andalam-panamboarana ataon’ny Fiadidiana ny Faritra Analamanga, ao amin’ny Kaominina Ambohitromby, Fokontany Miantsoarivo. Toho-drano izay tsy ho an’ny fambolena ihany fa ho an’ny fiompiana trondro. Tsara ho fantatra fa efa misy fivondronan’ny mpiompy trondro sy ny tantsaha mpamboly vary ao amin’ity kaominina ity. Izy ireo izay samy hisitraka tombontsoa amin’io fotodrafitrasa io avokoa.
Vita ny 15%-n’ny asa
Sahirana ny mponina hatramin’izay amin’ny fampidirana rano, indrindra rehefa fotoam-pahavaratra, araka ny fanazavan-dRanaivoalison Mbola, teknisianina avy eo anivon’ny Faritra Analamanga. 25 metatra no halavanin’ity fotodrafitrasa ity andalam-panamboarana ity. Tanimbary hatrany amin’ny 120 hektara kosa no ho voatondraka aorian’ny fahavitan’ny toho-drano. Dobon-trondro eo amin’ny 200 isa eo ihany koa no hahazo rano amin’izany. 75 andro eo no tokony faharetan’ny asa, saingy tsy maintsy ho vitaina mialohan’izay, hoy ny teknisianina, satria efa hiditra amin’ny fotoam-pahavaratra isika. 15%-n’ny asa hatreto no vita, araka ny fanazavana hatrany. Orinasa efa za-draharaha amin’ny fanaovana toho-drano no manao ny asa. Herintaona ny garantie an’ny asa.
Kidoro 10 sy Dabilio 60
Araka ny fangatahan’ny Ben’ny tanana ao Ambohitromby, Rabonarisoa Zozo Olivier, ao amin’ny Distrikan’Ankazobe tamin’ny Governoran’Analamanga, nandritra ny fitsidihana nataony tany Ankazobe andro vitsy lasa izay, dia natolotra ho azy ireo omaly ny kidoro 10 ho an’ny CSB II sy ny dabilio 60 ho an’ny sekoly ao an-toerana hiatrehana ny fidiran’ny mpianatra ho avy izao. Nanolotra izany tany an-toerana ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Analamanga sy ireo mpiara miasa maro ao amin’ny Faritra Analamanga. Raha nandray fitenenana ny Ben’ny Tanana sy ny solombavambahoaka dia nisaotra sy nankasitraka izao fandraisan’ny Faritra Analamanga andraikitra haingana izao satria tena ela antitra sy tonta tokoa ireo fitaovana ao amin’ny CSB II sy ao amin’ny sekoly.




