Songadim-baovao
FOIBE FITSARANA FIARAKODIA : Tsy maintsy ampanarahan-dalàna ireo fiara « bonne occasion »
Notontosaina omaly ny fihaonana tamin’ireo solontenan’ny mpivarotra fiara « bonne occasion » eto Antananarivo sy ny manodidina niaraka tamin’ny avy ao amin’ny Foibe fitsarana fiarakodia. Nahitsy ny avy amin’ny DGSR fa tsy maintsy ampanarahan-dalàna avokoa ireo fiara hamidy, ary nojerena kosa, ny fikarakarana ny antontan-taratasy…

Nanatanteraka fihaonana tamin’ireo solontenan’ny mpivarotra fiara « bonne occasion » eto Antananarivo sy ny manodidina, omaly ny Foibe fitsarana fiarakodia. Nivoitra nandritra ny fihaonana fa tsy maintsy ampanarahan-dalàna avokoa ireo fiara « bonne occasion » rehetra hamidy. « Manao fangatahana aty aminay ireo mpivarotra fiara ireo, ka izahay avy aty amin’ny Foibe fitsarana fiarakodia no midina eny ifotony, mba hialana amin’ny fivezivezena. Ireo fiara manana laharana vahiny ireo dia tsy tokony hivezivezy, eny amin’ny arabe satria, tsy mbola nisy fitsirihana ara-teknika no sady tsy misy fiantohana. Antony nahatonga anay hametraka ny fepetra, hidinana eny ifotony », hoy ny Tale jeneraly lefitra eo anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia, ny Jly Maohizara.

Noresahina nandritra ity fihaonana ity koa ireo fitsipika ifampifehezana mandritra ny fikarakarana ny antontan-taratasy mahakasika ny fivarotana fiarakodia, indrindra ny « réception technique » sy ny « visite technique » mba ho ara-potoana ny fanaovana azy. Nankasitraka izao fihaonana izao ireo tonga nivory nasaina nahitana ireo vondrona mpivarotra avy etsy Ankasina 67ha, Andavamamba, Fiaro Ampefiloha, Antanimbarinandriana, By-pass, Marais-Masay Andranobevava sy ny hafa koa. Nilaza ny solontenan’ireo mpivarotra fiara fa afa-po tamin’ny fihaonana, ary maniry hatrany ny hisian’ny fihaonana toa izao, mba hanatsarana sy hanamorana ny fomba fiasa, ka hanara-dalàna avokoa ny rehetra.




