Non classé

FANAMPIANA ARA-TSOSIALY: Tokantrano iray tapitrisa no tohanan’ny Fanjakana

Tokantrano avy amin’ny fokontany 42 no hisitraka fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana any Nosy Be, izay ahitana vary iray gony, menaka roa litatra sy siramamy 1 kilao. Tokantrano iray tapitrisa manerana ny Nosy kosa no hisitraka io tohana ara-tsosialy io, araka ny nambaran’ny Filoham-pirenena, tany an-toerana hatrany. Zava-dehibe ny fanampiana tahaka izao satria maro ireo tsy afaka miasa sy tafiditra ao anaty fahasahirana tanteraka noho ny krizy nateraky ny valanaretina Covid-19 teto amintsika. Teo anatrehan’izany, nilaza ny Filoha fa “tsy manary ny vahoakan’i Nosy Be”. Fotoana tahaka izao, hoy izy, no hahitana ny tena namana. Nampanantenaina ny Filoha fa hitohy amin’ny fokontany rehetra ao Nosy Be ity fanampiana ity. Fa indrindra koa, fanombohana ihany no natao tao Nosy Be fa hitohy manerana an’i Madagasikara ny fanomezana fanampiana ara-tsosialy…
Fitaovam-pitarafana ho an’ny CHRD Nosy Be
Ankoatra izay, araka ny efa nampanantenain’ny Filoha Rajoelina Andry, andro vitsivitsy lasa izay, tonga ao amin’ny CHRD Nosy Be koa ny fitaovam-pitarafana nomerika sy ny fiara mpitondra marary. Tsara ho fantatra fa fitaovam-pitarafana efa tena tranainy no nampiasaina tao amin’ity hopitaly ity hatramin’izay. Eo anatrehan’izany, tsy maintsy omena fiofanana manokana ireo mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ity hopitaly ity, amin’ny fampiasana io fitaovana vaovao io. Raha ny fanazavana, mbola hisy fiara tsy mataho-dalana izay ahitana ireo fitaovana famonjena marary koa ho avy, ho fanampian’ireo efa natolotra, afak’omaly. Nambaran’ny Filoha fa ho havaozina tanteraka ity CHRD ao Nosy Be ity, ho fanatsarana hatrany ny fandraisana an-tanana ireo marary.
Fiahiana isam-paritra
Etsy ankilany, tsy vitsy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, tato ho ato, no nidina tany anivon’ny Faritra ahin’izy ireo tsirairay avy, nitondra fanampiana sy fanohanana ireo vahoaka any an-toerana. Tafiditra ao anatin’izany minisitry ny Raharaham-bahiny izay tany amin’iny Faritra Sofia iny. Teo koa, ohatra, ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny haitao ara-kajy mirindra, izay nakany amin’ny Faritra Amoron’i Mania. Vao tsy ela koa no heno ny fanampiana nataon’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana, tamin’ny alalan’ny talem-paritra ao amin’ny Faritra Vakinankaratra, izay nisolo tena azy. Araka ny fantatra, ho fampitaovana ireo fandrian’ny marary ao amin’ny Centre de traitement Covid eny amin’ny CFAAMA Ambaniandrefana, nanolotra lambam-pandriana, ondana, ary lamba firakotra ho an’ireo marary hotsaboina amin’ny Centre ity ny minisitra, ka ny Talem-paritry ny Serasera sy Kolontsaina no nanolotra ireo fitaovana ireo tamin’ny anarany.

Tags
Fermer