Fanadihadiana Manokana

FAMPANDROSOANA ANY ATSIMO : Hampiakatra ny toekaren’ny Faritra ny fahavitan’ny RN-13

Raha noheverina fa faralahin’ny fampandrosoana hatrany ny any amin’ny Faritra Atsimo iny. Velom-panantenana tanteraka ny vahoaka any an-toerana, raha nandre ny kabarin’ny Filoha fa tsy hanao politika intsony raha tsy vita ny RN-13. Hitondra tombontsoa lehibe ho an’ny Faritra Atsimo iny ny fahavitan’iny lalam-pirenena faha-13 iny no hampiakatra ny toekaren’ny Faritra ny fahavitan’izany. Fanadihadiana…

Miteraka fahasahiranana maro ny tsy fahavitan’ny lalana RN-13. Nambaran’ny filohan’ny Repoblika fa lafo ny vidim-bary noho ny faharatsian’ny lalana, ny alahady lasa teo. « Lafiny fitaovana alaina avy aty Antananarivo ampiasaina any amin’ny Faritra Atsimo  iny, dia lasa lafo noho ny faharatsian’ny lalana mihazo an’i Faradofay iny. Lafo ny entana mankany Ambovombe Androy iny, raha mitaha ny any Toliara », raha ny nambaran’ny solombavambahoakan’i Madagasikara sady kestoran’i Antenimierampirenena Jean Michel Henri. Nahitsy izy nilaza fa noho ny tsy fahavitan’ny lalana, no mampirisika ny asan-dahalo. Tsy vitsy ireo olona lasibatra sy voaroba  vokatry  ny faharatsian’ny lalana, satria mandeha 5 km isan’ora na 10 km isan’ora. Amin’ny maha olombelona, ireny fiara mitatitr’olona avy any Antananarivo mankany Androy iny dia mifatratra tanteraka ny mpandeha ao anatin’ireny fiaraka karandalina. Fiara tsy tokony handehanan’ny olombelona mihitsy anefa no taingenan’ireo mpandeha amin’ny lalana mizotra ho any amin’ny Faritra Ambovombe Androy. Tsy misy fijerena ny maha olona, satria mampifilafila ireo mpitatitra, mandeha ianao tsara, tsy mandeha ianao tsara,  noho ny faharatsian’ny lalana ary vitsy ny fiara mandeha any Atsimo.

Hoavy ny mpampiasa vola…

Ny kestora voalohany, ny depiote Jean Michel Henri.

Zava-dehibe ho an’ny mponina any Atsimo ny fahavitan’ny lalana RN-13. Amin’ny lafiny vidin’entana. Isan’ny  olana fototra amin’ny fampandrosoana ny fihemoran’ireo mpandraharaha hampiasa vola any an-toerana, noho ny faharatsian’ny lalana mankany amin’ny Faritra Ambovombe mipaka hatrany Faradofay iny. Mazava, araka izany, fa rehefa vita iny lalana iny, mba hisy ireo mpandraharaha na Mpampiasa vola hidina any amin’ny Faritra Atsimo iny. Hitombo koa ny mpizahatany ho tonga any an-toerana. Tsy misy tsy mahalala ny rehetra amin’ny lazan’i Faradofay, amin’ny hakanton’ny tanàna. Na izany aza, tsy ambakan’izany koa ny any amin’ny Faritra Androy iny, misy sisin-dranomasina azo itsangantsanganana tsara ny ao Lavanono, ao « Faux Cap », toerana fitsangantsanana ary sisin-dranomasina mahasarika mpizahatany tsara mihitsy. Afaka mifamezivezy tsara ny olona, afaka mifampitsidika rehefa vita soa aman-tsara iny lalam-pirenena faha-13 iny. Mazava, araka izany, fa hampiakatra ny toekaren’ny Faritra ny fahavian’ny RN-13. Tsy nohadinoin’ny solombavambahoakan’ Ambovombe Androy ny nisaotra ny Filoham-pirenena noho ny finiavana hanamboatra ny RN-13.

Nidina ifotony ny kere nitady vahaolana momba ny taona 2016, ny Filoha ankehitriny.

Tsy matiantoka…

Nanteriny fa tsy matiantoka izy ireo raha nisafidy niaraka tamin’ny Filoha Andry Rajoelina, nanomboka ny taona 2009 no ho mankaty.

 Tsy voavidin’ny fitondran’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina tamin’ny resaka vola, hiala tamin’ny Filoha Andry Rajoelina. Mahazo tombony be izahay izao satria, dia ny zavatra maro ataon’ny Filoha anavotana ny mponina any amin’ny Faritra Androy », hoy izy nahitsy.

Tsy maty antoka ny vahoaka any Atsimo nifikitra tamin’ ny Filoha Andry Rajoelina. Efa nandainga tamin’ny vahoaka ny Filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina. Nisy ny filazana fa anao an’izao izy, kanefa tsy nisy zavatra vitany. Amin’ izao, miroso manatanteraka ny teny nataony kosa, ny Filoha Andry Rajoelina ary miezaka mijery izay hahasoa ny vahoaka any Atsimo, raha ny fanazavan’ny Kestora voalohany eo anivon’ny Antenimierampirenena, voafidy tao Ambovombe Androy. Hamaha ireo olana rehetra nampahantra ny vahoaka any Atsimo, ny fahavitan’io lalana io. Mahatsapa ny depiote voafidy tany an-toerana fa ny ain-dehiben’ny tapany Atsimo ny Nosy mihitsy no voakitika amin’ izao. Tsy mahagaga raha vao mainka mitombina ny fitokisanay azy, satria izy no hanavotra an’i Madagasikara. Izy no hanavotra an’ Androy…

FANATANTERAHANA TETIKASA MARO

Tsy ho faralahin’ny Faritra intsony ny any Atsimo 

Tokantrano 250 nisitraka « Vatsy tsinjo » taty an-toerana.

Nandritra ireo Fitondrana nifandimby, natao faralahin’olona tamin’ny asa fampandrosoana hatrany ny tao Atsimo. Mahatsapa anefa ny vahoaka any an-toerana, izay nisoloan’ny Kestora voalohany, ny depiote Jean Michel Henri omaly, tetsy Tsimbazaza fa « mitodika aty Atsimo ny Filoham-pirenena, manomboka amin’ny fanamboaran-dalana. Tsy hohadinoany koa eo amin’ny fitarihan-drano amin’ny fantsona lehibe izay ataony. Mahavaha olana ny fitarihan-drano avy amin’ny reniranon’Ifaho na Ifarantsa io. Ny teknisianina, araka izany, no mahita ny maha azo anatanterahana azy io. Rehefa mandalo tanàna io fantsona lehibe fitarihan-drano io, dia afaka manaparitaka sy mametraka isan-tanàna ». Tokony hisy, araka izany, ny fanondrahana tanimbary sy tanimboly, amin’ny fametrahana io fitarihan-drano lehibe io.   Nasongadiny fa manana loharano ambanin’ny tany koa ao Ambovombe, atao hoe Bemamba, izay tsy lanilaniana. Ary izany no nahatonga ilay fitenenana manao hoe : « Androy, tany milevin-drano ». Ny avy ety ambony tsy misy fa ny avy any ambany maro tsy hita noanoa. Raha voatrandraka tsara io,  tsy ho kere intsony ny ao Androy, satria isan’ny vahoaka tia miasa ny Antandroy ary tena fady sy mahamenatra izany mangataka izany. Kanefa tsy misy raisina intsony ka voatery mangataka. Ny tsy fisiana mahazaka maniraka, raha ny fanampim-panazavana.

“Asaivo manampy ny any Atsimo ireo mpitsikera…”

Tsy nanadino ny Faritra Atsimo ny Filoha, tamin’ny taona 2016.

Momba ny fitsikerana mavaivay tanterahin’ny mpanohitra, ny amin’ny filazana fa ny Fitondrana teo aloha no efa nahazo ny vola hanamboarana ny RN-13. Nitondra valin-kafatra ny depiote voafidy tany Ambovombe Androy fa “ moa ve tamin’ny Filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, tsy efa niteny ve izy fa misy lalam-bola hanamboarana azy io. Fa angaha izy nanao izany ? Tsy mahagaga izany satria efa nandainga tamin’ny vahoaka malagasy izy. Ho gaga ve ny vahoaka raha tsy nahavita na inona na inona izy ? Tamin’ ny Kere tany Atsimo,  nanambara ny Filoha teo aloha, fa tsy nisy kere tany Atsimo, saingy rehefa nandeha tany ny Filoha Andry Rajoelina, ny taona  2016, tany Andrapaly sy Tsihombe, dia nahita tokoa fa nisy kere tokoa tao. Efa nisy ny fanampiana ho an’ireo vahoaka tany Atsimo tamin’izany, na dia tsy mbola Filoham-pirenena am-perinasa izy, dia efa nanampy anay tao Atsimo. « Inona anefa no mba nataon’ireo mpanao politika ireo ? Mandehana mba manao fanampiana any Atsimo tahaka ny nataon’ny Filoha ankehitriny tamin’izany fa aza variana miady seza eto Antananarivo ” », hoy izy tsy nitsitsy fitenenana. Nomarihany hatrany fa “isan’ny tsy mampandroso antsika ny toe-tsaina satria ny miasa tsy ampiana fa tsikeraina.  Resaka toe-tsaina no mahatonga antsika mihemotra foana.

Nahazo tohana amin’ny Filoha, ry Masera tao Tsihombe.

Nisy ny fanoloran’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina,  ny gropy mitondra herinaratra lehibe tao Tsihombe, tamin’ny fandalovany tany an-toerana, ny herinandro lasa teo. Milamina tsara ny resaka jiro any an-toerana. Na izany aza, nampanantena ny Filoha fa hatambatra amin’ny angovo azo amin’ny masoandro ihany io gropy mitondra herinaratra lehibe io, mba tsy hahalafo ny vidiny. Tsy nohadinoana koa ny fanolorana « Vatsy tsinjo » tamina tokantrano miisa 250, teo amin’ny toerana fanaovam-baolina tao Tsihombe. Tsy nohadinoina koa ry Masera tao an-toerana fa nahazo fiara mitondra marary sy fiara tsy mataho-dalana manara-penitra, ankoatra ny fandriana manara-penitra any amin’ny hopitaly, sy ny maro hafa tsy voatanisa. Nandritra ny fandalovan’ny Filoha tao amin-dry Masera hatrany, dia nisy ny fanomezana « Vatsy tsinjo » ireo ankizy mahantra karakarain’izy ireo, izay miisa 150. Atsangana isaky ny distrika koa ny ivon-toerana miandraikitra ny resaka ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ianjadian’ny kere any an-toerana.

Fermer