PolitikaSongadim-baovao

« REQUISITION »-N’NY HAINO AMAN-JERY: Tsy misy fanararaotana ataon’ny Fanjakana mihitsy

Tsy tokony hatao antony hanenjehana ny Fitondram-panjakana ankehitriny ny fanaovana “requisition” ny haino aman-jery, satria izany no fanarahana ny lalàn’ny vanim-potoan’ny Hamehana. Efa mazava ny voafaritry ny lalàna, fa tsy misy hoe fanararaotana ataon’ny Fanjakana akory. Ny fiainam-pirenena rehetra mitranga ao anatin’ny fotoan’ny Hamehana dia mendrika hitondrana fanazavana avokoa, toy izay efa natao hatramin’ny volana marsa teo.

Adihevitra   diso ny filazana fa manararaotra manao fampielezan-kevitra na miresaka politika ny Filoham-pirenena na ny Praiminisitra, mandritra ny fandaharana manokana isaky ny tapa-bolana. Ny tsara  hitondrana fanazavana dia ny mbola fitoeran’ny Hamehana ara-pahasalamana  eto amin’ny tany sy  ny  firenena no mbola hisian’ny  fanaovana “requisition” ireo haino aman-jery tsy mainkina. “Ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia manamafy fa ny fanaovana ny « réquisition » ho an’ireo haino aman-jery tsy miankina rehetra manerana an’i Madagasikara dia fepetra takin’ny lalàna manan-kery, araka ny voalazan’ny andininy faha-7 ao amin’ny lalàna laharana faha-91-011 tamin’ny 18 Jolay 1991 mifehy ny hamehana eto amin’ny firenena”, io no fampitam-baovao navoakan’ny Minisisteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, afakomaly. Izany hoe, ny Hamehana ara-pahasalamana no mbola mampisy ireny fandaharana manokana  rehetra ireny, na izany ireo mandeha isanandro  hitondrana ny antontanisa, na ireo mandeha isaky ny 15 andro. Ny zavatra miseho eto amin’ny tany sy ny firenena rehetra ankehitriny dia tafiditra ao anatin’ny vanim-potoan’ny Hamehana avokoa, isika rahateo mbola anaty “Etat d’urgence sanitaire”. Dikany, rariny ny Filoham-pirenena raha mitondra fanazavana amin’izay zava-mitranga eto amin’ny firenena ao anatin’izay hodidina izay.

Fifidianana Loholona sy Kere any Atsimo

Isany nitondran’ny mpanohitra fanakianana, ohatra, ny niresahan’ny Praiminisitra resaka  fifidianana ho Loholon’I Madagasikara, nandritra ny fandaharana manokana izay nataony. Misy milaza  hoe ka tsy tokony vaovao manodidina ny Covid-19 ihany ve no resahana ao? Ka tsy fanararaotana ve izany? Ny zavatra tiana ho tsipihana anefa   dia miseho ato anatin’ny vanim-potoan’ny Hamehana ilay fanomanana ny fifidianana Loholona. Vanim-potoan’ny Hamehana izay anisany lehibe mahatonga ilay  fandaharana manokana. Rariny, araka izany, raha mitondra fanazavana manodidina izany ny tenany. Izy  rahateo  lehibena Governemanta, ka tsara toerana amin’ny fitondrana fanazavana izay mety ho fiainam-pirenena. Mbola toy izany koa ny  momba ny Filohan’ny Repoblika izay niresaka ny mahakasika ny Kere any atsimon’ny Nosy.  Hatao  ahoana no tsy hiresaka ireny zava-misy any an-toerana ireny? Isika rahateo ao anaty Hamehana, ary ireny zavatra ireny dia  niseho nandritra ny vanim-potoan’ny Hamehana. Tsara toerana  koa ny Filohan’ny Repoblika hitondra resaka na fanazavana mahakasika ireny tranga any atsimo ireny. Tsara tsindriana hatrany fa tsy misy fanararaotana velively izany, fa fitondram-panazavana mahakasika ny fiainam-pirenena, ao anatin’ny vanim-potoan’ny Hamehana fotsiny ihany no atao.

Mitovy amin’ny  tompon’andraikitra  rehetra ihany                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                      

Ireny tranga ireny anie mitovy amin’ny minisitra iray na tompon’andraikitra miakatra ao amin’ny fandaharana isanandro hitondrana ny antontanisa ihany e. Ireny tompon’andraikitra ireny indraindray tsy voakasika mivantana amin’ny resaka Covid-19 akory. Fa noho ny resaka fizahantany na ny fampianarana, ohatra, voakitikitika ao anatin’izao “Etat d’urgence” hiainantsika izao dia mitsangana izy ireo mitondra fanazavana. Tsy misy hafa amin’izany ny ataon’ny Filoha na ny Praiminisitra isaky ny fandaharana iarahana amin’izy ireo isaky ny tapabolana, fa tsy misy hoe fanararaotana akory.

Fermer