PolitikaSongadim-baovao

RANOMASIMBE INDIANINA: Hirosoana ny famaritana ireo Nosy Malagasy

Mitohy hatrany ny fitakiana ataon’i Madagasikara mahakasika ny tokony hamerenana ireo Nosy manodidina ho antsika Malagasy. Omaly, nandritra ny Filankevitry ny  Minisitra no fantatra fa “Hotanterahana ny fanaovana ny “travaux de  relevés sismiques marins” mba hahafahana mamaritra ny fari-dranomasin’i Madagasikara aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indianina”. Zava-dehibe ny firosoana amin’izany. Ary koa, ny vaomieran’ny  Firenena mikambana mamaritra ny “Plateau Continental (CLCP) dia nametraka fa mialoha ny faran’ny taona no tokony hametrahantsika ny famaritana izany,  araka ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra hatrany. Tanjona amin’izany ny mba  handinihana indray ny antontan-taratasy mikasika an’I Madagasikara sy ireo Nosy Kely manodidina tafiditra ao anatin’ny faritr’I Madagasikara. Antenaina, noho izany, fa hitondra ainga vao amin’ny  fitakiana ny fiverenan’ireo Nosy ireo ho an’I Madagasikara ny fisian’izao asa  izao. Tsiahivina fa anisany hetsika farany nataon’ny Frantsay ny fikasana hametraka  tahirin-javaboaharim-pirenena ao amin’ny Nosy Glorieuses. Teo anatrehan’izany, efa nanambara  ny minisitry ny  Raharaham-bahiny fa          fa ny famerenana ireo Nosy malagasy ireo ho eo amin’ny fiandrianan’i Madagasikara no vaha-olana voalohany aroson’ny Delegasiona Malagasy eo amin’ny fifampiraharahana amin’ny Delegasiona frantsay, mba ho fampiharana ny lalàna iraisam-pirenena momba ny fanafoanana ny fanjanahan-tany sy araka ny faneken’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny taona 1979.

Fermer