PolitikaSongadim-baovao
TETIBOLAN’NY CUA 2021: Ainga vao ho an’ny fanatanterahana ny Veliranon’Iarivo
Miroso mankany amin’ny fanatanterahana ny vina hatrany ny Ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Naina Andriatsitohaina izay nanana ireo Veliranon’Iarivo, entina hanandratana indray ny renivohitr’I Madagasikara ho amin’ny tsaratsara kokoa. Nisy, omaly, ny fandanian’ny filankevitry ny tanàna, ny tetibolan’ny Kaominina taona 2021, izay ainga vao indray ho an’ny fanatanterahana ireo vina.
Niisa 36 ireo fanitsiana nentin’ny mpanolontsain’ny tanàna tao anatin’ny tetibolan’ny Kaominina 2021. Ny 93%-n’ireo fanitsiana ireo dia nekena avokoa. Nifarana tamin’ny fomba ofisialy omaly, noho izany, ny fivoriana ara-potoana ny filan-kevitra monisipaly izay naharitra 10 andro tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Lany nandritra izany ity tetibolan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra 2021 ity, izay miresaka ny fampidiram-bola, ny fandaniana rehetra atao ary ny tetikasa hirosoana rehetra. Tetsy ankilany, lany koa ny “budget primitif” na ny vinavina tetibola 2021. Tsiahivina fa nanomboka tamin’ny 29 Septambra teo ny fivoriana ara-potoan’ny filankevitry ny tanàna, ary io nifarana omaly io. Nisy, nandritra izany, ny fandinihan’ny Vaomiera tsirairay ny tetibola. Nisy ny fanitsiana izay nampiakarin’ny mpanolotsaina tany amin’ny mpanatanteraka, izay nivaly ny alarobia teo. Ireo fanintsiana ireo izay saika miompana amin’ny resaka Hetra, ny resaka hofan-trano amin’ny toeram-ponenana, ny fahazoana rano, ny fanotorana tany. Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Vaomieran’ny vola sy ny Tetibola ary ny Toekarena eo anivon’ny Filankevitry ny tanàna, Rakotomanana Franck Tiana, dia ny fampiasana ireo vola araka ny tokony ho izy no anisany andrasana amin’ny mpitantana ny tanàna. “Azo antoka fa hahafaha-mahatratra ny veliranon’Iarivo izay nilokalokan’ny Ben’ny Tanàna ity tetibola nolaniana ity”, hoy izy.
Maro ireo vinam-pampandrosoana
Ho an’ny Ben’ny tanàna Naina Andriatsitohaina manokana, miompana bebe kokoa amin’ny asa sosialy ny vinam-pampandrosoana nentiny. Isany laharam-pahamehany ny fanatsarana miandalana ny fari-piainan’ny mponina. Laharampahamehana izay mametraka ho lohalaharana ireo zo fototra tokony hananan’ny tsirairay. Tafiditra ao anatin’izany ny tokony hisitrahan’ny mponina rano fisotro madio, amin’ny alalan’ny fampitomboana ny “Forage” hameno sinibe, hahafaha-mamatsy ireo toeram-pantsakana isam-pokontany. Efa vinan’ny mpitantana ny tanàna ankehitriny koa ny ampitomboana isa hatramin’ny 250 isan-taona ireo toeram-pivoahana natao ho an’ny daholobe, izay tena mbola vitsy ankehitriny. Fanamby napetraky ny Ben’ny tanàna ao anatin’ny Veliranon’Iarivo ny hanolotra hazavana ho an’ny rehetra, izay tsy ho fanazavana fotsiny ihany fa hifandrimbona koa amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Fametrahana toeram-ponenana mendrika ho an’ny mponina sahirana, toeram-pitsaboana isaky ny boriborintany, fametrahana “cantine scolaire” eny amin’ny Epp eto Antananarivo, ampahany amin’ireo vina ho an’ny fandrosoan’ny tanàna napetraky ny ben’ny tanàna ireo.
Famerenana ny hasin’Antananarivo
Ao anatin’ity Tetibolan’ny Kaominina ho an’ny taona 2021 ity, anisany nasiam-panitsiana ny tetibola entina hanatanterahana ilay “Code Municipal d’Hygiène”, izay nahabe resaka teo aloha teo. Tanjona ny mba hahafahana manatanteraka ireo voalaza rehetra ao, araka ny tokony ho izy, hoy ny fanadihadiana. Tokana ny tanjona amin’ny fametrahana ny CMH, dia hamerenana indray ny hasin’Antananarivo. Ny ben’ny tanàna, Naina Andriatsitohaina, rahateo, na fony izy mbola kandida hirotsaka ho fidiana fotsiny ihany aza dia efa nilokaloka ny hamerina ny hasin’Antananarivo. Ankehitriny, efa tonga eo amin’ny toerana ny tenany, ary eo amin’ny toeran’ny mpanatanteraka rahateo. Fanatanterahana ny vina efa napetrany, noho izany, ny fametrahana ireny fitsipika maro isan-karazany misy ankehitriny ireny. Ary raha hapetraka ny sazy sy ny lamandy mifandraika amin’ny fandikan-dalàna iray, dia ny mba hanarahan’ny rehetra ny fepetra mipetraka no tanjona, fa tsy hoe vao maika hanao izay zavatra voararan’ny lalàna indray ka mety hahazoana ny sazy. Fampanarahan-dalàna no tanjona, ary raha tsy te hiharan’ny sazy dia tokony hanaja ny fitsipika sy ny lalàna hapetraky ny mpitantana fotsiny ihany. Matetika ny olona sasany milaza fa liam-pandrosoana kanefa rehefa hapetraka ny fepetra rehetra hahatongavana amin’ny tena fampandrosoana, dia mahita hevitra hanoherana izany foana. Misy koa ireo minia mikipy fotsiny tsotra izao amin’ny finiavana tsara ananan’ny mpitantana ny tanàna ankehitriny, satria mbola manjaka loatra ny fankahalana politika.




