Non classé

SOSIALIM-BAHOAKA: Tsy manadino ny isan-tokatrano ny Fanjakana

Ankoatra ireo fanampiana nozaraina isaky ny toerana malalaka, tany amin’ireo boriborintany enina teto andrenivohitra, tsy nohadinoin’ny Filoha Rajoelina Andry sy Ramatoa vadiny koa ny nitondra fanampiana ireo tokantrano tsy nanana karinem-pokontany. Ireto farany izay tsy mba afaka nilahatra naka ny anjarany, tany amin’ireo toeram-pizarana isaky ny boriborintany. Araka izany, omaly hariva ihany dia nidina teny amin’ny fokontany IIC Manjakaray ny Filoha mivady, nanolotra vary sy valopy ho an’ireo sokajin’olona ireo. “Tsy maintsy mahazo daholo fa tsy misy fanavahana”, hoy izy tamin’ireo vahoaka maro nifampiresaka taminy. Tsy vitsy, tetsy andaniny, ireo vahoaka nitaraina ho mbola tsy nisitraka ny fanampiana, hatramin’ny “tosika fameno” sy ireo fanampiana sosialy rehetra teo aloha. Teo anatrehan’izany, nampanantena ny Filoha fa mbola haniraka ekipa manokana eny an-toerana, handrindra ny fizarana fanampiana ho azy ireo. Nohamafisiny fa efa misy ny fifampiresahana eo amin’ny lehiben’ny fokontany, miara-miasa amin’ny “Association Fitia”, amin’ny fandaminana ny fizarana isan-tokantrano. Ny fotoana omaly izay nararaotin’ny Filoha nanazavana ny fahasamihafan’ny fanampiana “Tosika fameno” sy ity Vatsy Tsinjo ity. Tsara ho fantatra fa tao amin’ny Coliseum Antsonjombe ny Filoha Rajoelina mivady ny marainan’ny omaly, nanatrika ny fizarana fanampiana ho an’ny vahoakan’ny boriborintany fahadimy.

Tags
Fermer