SamihafaSongadim-baovaoSosialy

RABIAZA REYNA MARCELLE : Voatendry ho Tale Jeneralin’ny Serasera vaovao

Taorian’ny fahabangan’ny toeran’ny tale jeneralin’ny Serasera nandritra ny iray volana mahery teo, voatendry hisahana izany andraikitra izany, tao anatin’ny Filankevitry ny minisistra farany teo Rabiaza Reyna Marcelle. Izy izay tsy olom-baovao eo amin’ny tontolon’ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety amin’ny ankapobeny, ary antenaina ho ainga vao indray amin’ny fanomezan-danja ny sehatry ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Araka ny fanadihadiana, mpianatra tamina sekolim-panjakana hatrany ny tale jeneralin’ny serasera vaovao, niainga tany amin’ny EPP, CEG ary Lycée. Nianatra teny amin’ny anjerimantolo Ankatso, tao amin’ny lalam-piofanana Frantsay, ary anisan’ireo nahazo ny lisantsa amin’ny serasera voalohany tamin’izany. Nanaraka ny  fiofanana momba ny asa fanaovan-gazety ary nahazo ny Maitrise amin’ny asa fanaovan-gazety andiany fahadimy. Nanaraka ny lalam-piofanana tao amin’ny DIFP taorian’izay, nahazo ny DEA amin’ny Sciences de la Communication et de l’information, ary nanaraka ny fiofanana ho mpanofana mpanao gazety.

Nanangana ny fikambanana Torohay izy, satria niasa teo amin’ny sehatry ny tranom-boky sy fikirakirana antotan-kevitra. « Rehefa tsy misy ny tranom-boky, tahaka ny firenena tsy misy tantarany », hoy izy. Efa niasa teo amin’ny sehatry ny tontolon’ny ekonomia, fahasalamana, biolojika nandritra ny 10 taona. Niasa tao amin’ny Comité pour la Sauvegarde de l’intégrité (CSI), izay lehiben’ny sampana momba fikirakiana ny anton-kevitra. Lasa talen’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny any ivelany taorian’izay nanomboka tamin’ny 2016. Efa nandray anjara tamin’ny famolavolana ny lalàna momba ny fahazoam-baovao ihany koa.

Fermer