PolitikaSongadim-baovaoToekarena

FILOHA TAO VATOVAVY FITOVINANY : « Haverina ny lazan’ny vokatra tantelin’i Madagasikara »

Misy ny fitsidiham-paritra ataon'ny filoha andry rajoelina any amin'ny faritra vatovavy fitovinany nanomboka omaly, ary mbola mitohy hatramin’ny rahampitso. Ho an’ny omaly, tao Manakara ny Filoha. Fotoana izay nitokanany ny tranon'ny orinasa Senteurs et Saveurs du Monde (Societé SSM), mpanondrana tantely. Nandritra izany koa ny nanolorana ny taratasim-bola ireo mpiompy tantely nahazo fiofanana. « Haverina ny lazan’ny vokatra tantelin’i Madagasikara », hoy ny Filoha.

Taorian’ny tany amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, any atsimo atsinanan’I Madagasikara indray ny Filoham-pirenena mivady, miaraka amin’ny delegasiona tarihiny. Ho an’ny omaly, tao amin’ny renivohitry ny Faritra Vatovavy Fitovinany ny Filoham-pirenena. Nandritra izany no nitokanany ny              tranon’ny orinasa Senteurs et Saveurs du Monde (Societé SSM), izay mpanondrana tantely avy eto Madagasikara. “Ilanga Nature” no anaran’ny vokatra vokarin’ity orinasa ity ary izy irery no hany orinasa mpanondrana tantely eto Madagasikara. Vokatra izay malaza eran-tany amin’ny hatsaran’ny kalitao. “Haverina ny lazan’ny vokatra tantelin’i Madagasikara, indrindra ny vokatra avy ao Manakara” hoy ny Filoha, nandritra ny kabariny. Nalaza maneran-tany i Madagasikara tamin’ny famokarana tantely teo aloha, ka tsy maintsy haverina izany toerany teo amin’ny sehatra iraisampirenena izany, manomboka izao, hoy hatrany ny fanazavany. Ny Filohampirenena Andry Rajoelina no tonga nanome voninahitra izany fitokanana ny trano vaovaon’ny orinasa SSM izany, omaly.

Mpamokatra tantely 188 isa

Nifanindra andalana tamin’izany koa ny nijereny manokana ny fanampiana ireo mpamokatra tantely eny ifotony ho moderina amin’ny alalan’ny tetikasa Fihariana « Soa Tantely ». Ity tetikasa ity dia tetikasan’ny Filohampirenena ho fampiroboroboana ny seha-pihariana ho an’ny mpandraharaha. Tsiahivina fa vola hatrany amin’ny 40 tapitrisa euros no natokan’ny Filoha hanaovana ny tetikasa Fihariana amin’ny ankapobeny. Nanokana 1.297.700.000 ar kosa ny Filoha amin’ny alalan’ny Soa Tantely. Anisany nisitraka ny tetikasa Fihariana ho fanatsarana sy fanohanana ny famokarana tantely ny tao Manakara. Mpamokatra tantely 188 isa, araka izany, no misitraka ny fanohanana izay hiteraka asa 564. Hahazo trano tantely sy fitaovana ilaina amin’ny fiompiana tantely maoderina ihany koa ireo mpamokatra. Natolotry ny Filoha tamin’ny fomba ofisialy ihany koa ny tetibola hanampiana ireo mpamokatra ka tafiakatra hatrany amin’ny 7.100.000 ar isaky ny mpamokatra izany. Tanjona amin’ny fanohanana ataon’ny fanjakana ny mpandraharaha ny hampiakatra ho 100t ny vokatra. Ho tonga 160 t ny vokatra azo ao Manakara ho an’ny taom-pamokarana 2020-2021.

Fermer