
Songadim-baovao
FANARARAOTANA ARA-NOFO : Tratra ilay lehilahy mpanolana zazalahy
Taorian’ny fiparitahan’ny sary sy horonantsary mamoafady nataona tovolahy iray momba ny horonantsary manana endrika mamoafady tao anaty tambajotra ara-tsosialy FB. Nokarohin’ny mpitandro filaminana fatratra ilay mpanolana sy mpanararaotra ara-nofo amin’ny zaza tsy ampy taona, nanomboka omaly. Tratran’ny zandary omaly alina, ilay lehilahy mpanolana. Fanadihadiana…
Ilay lehilahy mpanolana nokarohina fatratra.Mirongatra izaitsizy ny fanolanana atao amina zaza tsy ampy taona ! Lehilahy iray no nanaparitaka horonantsary mamoafady natao tamina zazalahy tsy ampy taona, tao anaty tambajotra ara-tsosialy FB, ny 26 septambra lasa teo. Vaky fo ary tao ireo naneho ny hatezerany, ireo olona nahita ny horonantsary niparitaka, momba ilay lehilahy nanatanteraka ny fanararaotana ara-nofo. Vetivety rahateo ny fiparitahan’ireo horonantsary, izay mifanipaka amin’ny fomba amam-panao maha malagasy. Raha ny fijerena ilay horonantsary anankiroa niparitaka sy hitan’ireo mpikirakira ny Facebook, tsy indray mandeha, fa efa matetika no iharan’ny fanararaotana ara-nofo ilay zazalahikely. Tsy tompon’ny tenany mihitsy izy, satria ilay tovolahy no manala ny akanjony sy manao ireo karazana fihetsika mamoafady.
Vokatr’io zava-mitranga io, nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitra nataon’ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena, nanatanteraka ny fikarohana sy fanadihadiana lalina, tamin’ny alalan’ny angom-baovao tao anaty tambajotra ara-tsosialy. Nambaran’ny manamboninahitra iray miandraikitra ny Heloka atao amin’ny Habaka eo anivon’ny Zandarimaria fa « efa mandeha ny fikarohana io lehilahy mpanolana io ». Vokany, tratra omaly ilay lehilahy mpanolana, rehefa naterin’ny mpampiasa azy teny amin’ny borigadin’Andoharanofotsy.
Sazy henjana…
Raha ny fanadihadiana, dia mpiray vodirindrina amin’ilay lehilahy io, ilay zazalahy niharan’ny fanararaotana ara-nofo. Io omaly alina io ihany, dia efa nisy ny avy any amin’ny Zandarimaria nanao ny fanamarinana, momba ilay zazalahy, izay nambarany fa any Fiadanamanga Iavoloha. Araka izany, dia efa nafindra ao amin’ny Toby Ratsimandrava ilay lehilahy mpanolana atao andrimaso. Ankoatra izay, misy, araka izany, ny lalàna mifehy amin’ny fandefasana sary sy horonantsary tsy mendrika atao, amin’ny tambajotran-tserasera ara-tsosialy. Raha ny Lalàna mifehy ny « cybercriminalité » fotsiny no resahina, dia misy ny laharana 2014-006 andinin-dalàna faha-22 izay milaza fa : » Ny fanaovana horonantsary manana endrika mamoafady mampiseho an-tsehatra ankizy ny fampisehoana amin’ny fomba rehetra, ankizy manao fihetsiketsehana momba ny firaisana ara-nofo mivantana, tena izy na miafina, na izay rehetra fampisehoana ireo taovam-pilahiana na fivavian’ankizy iray, izay manana tanjona filāna ara-nofo dia sazin’ny lalàna 2 hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina ary mandoa onitra 2 000 000 ar hatramin’ny 10 000 0000 ar. Nampirisihana koa ireo mpikirakira Facebook, mba tsy hizara na hanohina « réagir » amin’ireo sary sy horonantsary nivoaka.
Ben’ny Tanàna nanolana zazavavikely 9 taona
Ben’ny Tanàna iray ao amin ‘ny Kaominina ambanivohitra Tangainony anatin’ny distrikan’i Farafangana no voarohirohy amina fanolanana zazavavy tsy ampy taona. Raha ny angom-baovao marim-pototra, 9 taona ilay zazavavy niharan’ny fanolanana, izay niasa an-trano tao aminy. Efa nisy ny raharaham-pihavanana natao, ka nifanarahan’ny fianakavian’ilay zazavavikely sy ilay ben’ny Tanàna fa handoa vola mitentina 3 tapitrisa Ar izy. Nony tonga nefa ny fotoana, dia tsy nandoa izany ilay olom-boafidy. Vokany, voatery nametraka fitoriana tany amin’ny Fampanoavana ireo fianakaviana lasibatra. Nosamborina avy hatrany ilay ben’ny Tanàna omaly, ary atao andrimaso ao amin’ny GAPJ ao an-toerana izy. Efa mandeha ny famotorana.




