PolitikaSongadim-baovao
BEN’NY TANANA ETO ANALAMANGA:Vonona handray anjara amin’ny fifidianana Loholona
“Misy milaza fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana Loholona amin’ny 11 Desambra. Fa iza moa ireny olona miteny ireny? Izahay aza mbola tsy miteny akory kanefa izahay no tena voakasika mivantana amin’ny fandrotsaham-bato amin’ny fifidianana”, hoy Rakotoarimanana Henintsoa, Ben’ny tanànan’Andoharanofotsy, sady Filohan’ny fikambanan’ny ben’ny tanàna eto amin’ny Faritra Analamanga. Izy izay nilaza fa tsy voatery izay miteny foana akory no manana ny marina sy ny rariny eto amin’ity firenena ity, fa misy koa olona vonona hiara-hiasa sy mbola manohana izao fitondram-panjakana izao. Antony nahatonga azy, sy ireo ben’ny tanàna lany teto amin’ny Faritra Analamanga nivondrona ka nanangana ny “Association des Jeunes Maires Analamanga” (AJMA). Manao politika tanteraka ny fikambanana, araka ny fanazavana. Ary manohana tanteraka ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Fitondram-panjakana mijoro ankehitriny.
Ben’ny tanàna 102 hatreto
« Isika rehetra miara-mandroso ». Io no teny filamatry ny fikambanana. Ny fitoviana fomba fijery ara-politika no anisany nampivondrona ireto ben’ny tanàna ireto. Marihana fa misy amin’izy ireo no tsy lany tamin’ny antokon’ny Fitondrana tamin’ny fifidianana kaominaly teo. Saingy resy lahatra kosa amin’ny fiarahamiasa amin’ny Filoha Andry Rajoelina. 140 no isan’ny ben’ny tanàna mandrafitra ny Faritra Analamanga. Ny 102 amin’ireo no efa namaly ny anto sy nanaiky ny hanatevin-daharana ao anatin’ny fikambanana. Nanome toky ireto ben’ny tanàna ireto fa handray anjara sy handrotsa-bato amin’ny fifidianana Loholona amin’ny 11 desambra ho avy izao. “Koa satria izahay manohana ny Filoha Andry Rajoelina, dia vonona izahay hanohana izay kandida atolotry ny Filoha ho amin’ny fifidianana Loholon’I Madagasikara amin’ny 11 desambra izao”, hoy Rakotoarimanana Henintsoa.
Fifanampiana
Ankoatran’ny resaka politika, isany antom-pisian’ny fikambana ny fifanampiana sy ny fifanomezan-tanana eo amin’ny samy ben’ny tanàna. Araka ny fanazavana, misy ireo ben’ny tanàna no mety efa havanana kokoa amin’ny resaka fitadivana mpamatsy vola na mpiara-miombon’antoka, dia izay no ilàna ny fifanankalozana ao anatin’ny fikambanana. Tanjona ny hisitrahan’ny kaominina tsirairay fampandrosoana marina eto Analamanga. Ankoatra ny Filoha mpitarika ny fikambanana, dia misy filoha mpanampy koa, isaky ny distrika mandrafitra ny Faritra Analamanga. Isan’izany ny distrikan’Andramasina, Ankazobe, Ambohidratrimo, Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo.




