PolitikaSongadim-baovao

NORBERT LALA RATSIRAHONANA: Mariky ny demokrasia ny tsy fandraisana anjara amin’ny fifidianana

Nitondra ny fanehoan-keviny manodidina ny raharaham-pirenena    ankehitriny ny  Filoham-panjakana   teo aloha, Ratsirahonana Norbert Lala. Izy izay nilaza fa tsy olana mihitsy ny tsy fandraisana anjaran’ny mpanohitra amin’ny fifidianana amin’ny 11 Desambra izao satria izany no maha-demokrasia ny demokrasia. Notsindriany fa tsy misy lalàna eto Madagasikara manery azy ireo handray anjara na tsy handray anjara amin’izany  fifidianana izany, fa  safidy  io.  « Tamin’ny andron-dRavalomanana nisy fotona nikarakara fifidianana kaominaly tamin’izany, nilaza izahay mpanohitra rehetra tamin’izany fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana. Nirosoan’izy ireo hatrany anefa ny fifidianana. Vokany, ben’ny tanàna Tiako I Madagasikara daholo no lany tamin’izany, dia nangina izahay fa tsy nitabataba satria efa izay no zava-nisy » hoy izy. Nambarany fa mitovy amin’izany ihany io miseho amin’ izao fotoana izao io.   Notsindriany fa tsy misy mikasa hametraka fomba fisainana tokana izany eto amintsika, isika rahateo tany demokratika. Mahakasika ny fitoriana napetraky ny Loholona sasany amin’ny tokony hanafoanana ny  fifidianana amin’ny   11desambra dia nahitsy ity mpano politika  ity   nilaza fa tokony eken’ny rehetra izay ho fanapahan-kevitry ny Fitsarana  avo momba ny  Lalàmpanorenana eo, na iza izy na iza.

Fermer