Songadim-baovao

SEKOLIN’NY ZANDARIMARIA : Natao teo ambany faneva ireo andia faha-75

Lanonana telo sosona no notanterahina tao amin’ny Sekolin’ny Zandarimariam-pirenena ao Ambositra ny 10 oktobra lasa teo. Goavana ny fanehoana teo ambany faneva ireo mpianatra ho zandary miisa 1184. Nisy ny hafatrafatra avy amin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria…

Nisy ny famindrana fanevan’ny sekoly tamin’ireo andia faha-75.

Notontosaina tao amin’ny Sekolin’ny Zandarimariam-pirenena ao Ambositra, ny afakomaly teo, tao amin’ny Toby Jeneraly Andriamahefa, ny lanonana telo sosona. Isan’izany ny lanonana fanehoana teo ambany faneva ireo mpianatra ho zandary mandrafitra ny andiany faha-75, izay miisa 1184. Nisy, araka izany, ny famindrana ny fanevan’ny Sekoly tamin’ny andia faha-75, sy ny fanaovana batemy na fanomezana anarana ny Toby misy ny Sekoly. « Jeneraly Andriamahefa Hemercellin » no anarana saloran’ny Sekoly manomboka, ny afakomaly teo. Fa iza tokoa moa ny Jeneraly Andriamahefa ? Manamboninahitra jeneraly efa misotro ronono izy, ary  tonga nanatrika ny lanonana tao. Nivoaka avy tamin’ny andiany voalohany tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe. « Major de promotion » tamin’ny andiany voalohany tao amin’ny Akademia miaramila ny tenany. Manamboninahitra Kaomandin’ny Sekoly Zandarimariam-pirenena Ambositra voalohany. Namorona ny « Feon’Anjomara, hira fanevan’ny Akademia miaramila Antsirabe. Angady nananana ny « Tanindrazana sy lalàna », hira fanevan’ny Zandarimariam-pirenena. Namorona ny « Reny iray dia », hira fanevan’ny Fikambanana vady zandary na ny Fivaza. Manamboninahitra fakan-tahaka nandritra ny fotoany teo amperinasa.

Fandraisana andraikitry ny Foloalindahy

Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Seg.

Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard, izay nanamafy ny tokony hisian’ny firaisankina sy ny fandraisana andraikitry ny Foloalindahy, mba hanatanterahana ny baikon’ny Filoham-pirenena manoloana ny ady amin’ny fahavalo tsy hita maso, toy ny Covid-19 sy ny Kere. Ny fiaraha-miasa sy ny fifanomezan-tanana  no ahafaha-miaro sy manampy bebe kokoa ny vahoaka ary manamora ny fanatanterahana ny andraikitra napetraka amin’ny Foloalindahy. Ny  Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny Jly Ravalomanana Richard  kosa, dia

nanantitra ireo tondrozotra arahina, mba hahafahan’ny Sekoly manofana sy mamoaka  « Zandary matihanina », afaka miaro ny vahoaka sy ny fananany ary ireo Andrim-panjakana.

Fitsofan-drano ahatontosa ny fiofanana hatramin’ny farany, mba hananana zandary mendrika mitafy fahaiza-manao sy tsara fitondran-tena, no nambaran’ny Jeneraly Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, nandritra ny anjara fitenenany. Ny lanonana dia Teo ambany fiahian’ny Jly Andrianjanaka Njatoarisoa, raha teo ambany fitarihan’ny Kaomandin’ny Sekolin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Kly Miandrisoa Olivier. Notronin’ireo Tomponandraikitra ambony miaramila samihafa, olo-manan-kaja sivily avy ao an-toerana ny lanonana. Raha tsiahivina, miisa 1184 (1053 lahy sy 131 vavy) ireo mpianatra ho zandary mandrafitra ny andiany faha-75 naseho faneva, ny sabotsy lasa teo.

Misalotra ny anaran’ny Jeneraly Andriamahefa Hemercellin » ny toby misy ny sekoly.
Fermer