Fanadihadiana Manokana

FANARARAOTANA ARA-NOFO NAVOAKA « FB » : Nohadihadiana ilay zazalahy lasibatra notronin’ny rainy

Taorian’ny fahatraran’ny Zandary ilay tovolahy nanaparitaka horonantsary mamoafady natao tamina zazalahy tsy ampy taona, tanaty tambajotra ara-tsosialy Facebook. Efa nofotorina ilay zazalahy lasibatra. Nisy ny fijerena azy tany amin’ny dokotera. Aorian’ny famotorana, hiakatra fampanoavana tsy ho ela ilay nahavanon-doza…

Hadihadiana ato ilay lehilahy nahavanon-doza.

Nahoraka nandritra ny faramparan’ny herinandro iny, ny fisiana sary sy horonantsary mamoafady natao tamina zazalahy tsy ampy taona, naparitaka tao anaty tambajotra ara-tsosialy Facebook. Lehilahy iray tompon’ny kaonty “Lee Stuvene Landot Craya’s” no nanaparitaka izany ho hitam-bahoaka. Niditra an-tsehatra nandray andraikitra nifandrimbona tamin’ny fitadiavana ity lehilahy ity ny avy amin’ny mpitandro filaminana. Vokany, sarona ny sabotsy alina teo izy, rehefa naterin’ny mpampiasa azy tao amin’ny Borigadin’Andoharanofotsy. Raha ny fanadihadiana, noho ny fahitan’ny Mpampiasa azy ny sariny niparitaka tao anaty Facebook no antony nahatonga ireo mpampiasa azy nanatitra ity lehilahy nahavanon-doza ity ho eo anatrehan’ny Borigadin’ny Zandary Andoharanofotsy. Iny alina iny ihany, efa natao andrimaso tao amin’ny Toby Ratsimandrava izy. Ny sabotsy teo ihany, dia efa nohadihadiana ilay zazalahy lasibatra notronin’ny rainy. Amin’ny toe-draharaha tahaka itony, tsy maintsy misy ny fizahana ataon’ny dokotera, amin’ilay niharan’ny herisetra ara-nofo.

Vesatra maro…

Raha ny fanazavan’ny Komandà Ramanantsahanina Rado, tomponandraikitra avy ao amin’ny « Cybercriminalité », eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena fa «  amin’ny toe-draharaha tahaka itony, indrindra raha tsy ampy taona no iharan’ny fanararaotana ara-nofo, no sady navoaka tamin’ny tambajotra ara-tsosialy, tahaka ny Facebook fotsiny no resahina, dia misy ny laharana 2014-006 andinin-dalàna faha-22, izay milaza fa : « Ny fanaovana horonantsary manana endrika mamoafady mampiseho an-tsehatra ankizy ny fampisehoana amin’ny fomba rehetra, ankizy manao fihetsiketsehana momba ny firaisana ara-nofo mivantana, tena izy na miafina, na izay rehetra fampisehoana ireo fananahan’ny ankizy, izay manana tanjona filāna ara-nofo dia sazin’ny lalàna 2 hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina ary mandoa onitra 2 000 000 Ar hatramin’ny 10 000 0000 Ar ». Manampy an’io, fanohintohinana ny fomba amam-panao maha malagasy, satria misy olom-pady mijery io tambajotra ara-tsosialy Facebook io. Isan’ny vesatra azo anenjehana ilay lehilahy io koa izany.

Nanambara ny avy ao amin’ny Unicef raha vao naheno ity toe-javatra ity fa azo atao tsara ny mitory mivantana ao amin’ny tranonkalan’ny Arozaza : https//uni.cf3iNKpjj, raha vao mahita sary mamoafady na mampiseho herisetra momba ny zaza sy ny ankizy. 5 minitra raha ela indrindra, dia voarain’izy ireo ny fitarainana na fitorohana momba ny trangana herisetra momba ny ankizy sy ny zaza.

Sazina mafy…

Vao ny fiandohan’ny volana oktobra lasa teo, nandritra ny fanokanana ny Ivon-toerana Vonjy tany Tolagnaro no efa nanambara ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa « sazina mafy izay rehetra manao fanararaotana ara-nofo amin’ny ankizy tsy ampy taona. Manohana tanteraka ny ady amin’izany ny tenako, ka handray an-tanana ireo ankizy iharan’ny herisetra ara-nofo, mba hiarovana ireo zanantsika ». Nankaherezina avokoa ireo mpiara-miombona antoka rehetra, ny minisiteran’ny Mponina, ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny minisiteran’ny Fahasalamana, ny minisiteran’ny Fitsarana, ny Unicef sy ny KOICA, ny  amin’ny ezaka hitsinjovana ny taranaka, indrindra momba ny ady amin’ny herisetra sy ny fanararaotana ara-nofo amin’ny ankizy.

Marobe ireo karazana herisetra mianjady amin’ny ankizy momba ny resaka fanararaotana ara-nofo. Isan’ireny ny fanolanana, fanolorana zaza tsy ampy taona hanana firaisana ara-nofo na hanambady, fivarotan-tena, fametavetana zaza tsy ampy taona. Maorbe ny voka-dratsin’ny herisetra aterak’izany. Isan’ireny ny fahavoazana ara-tsaina sy ara-batana, fatahorana, ratra maro samy hafa, tsy fatokisan-tena, vohoka tsy nirina, tsy fahasahiana mandray fanapahan-kevitra, aretina azo avy amin’ny firaisana (IST) ary VIH/Sida. Nambaran’ny dokotera iray misehatra momba ny ady amin’ny herisetra, fa misy ny  fomba hisorohana ny herisetra. Tafiditra ao ny tsy fidorohana zava-mahadomelina,  ny tsy fanaovana fitafiana sy fihetsika mamoafady na “sexy”.

 

 

Mampirongatra ny fanararaotana ara-nofo

«Fampiasana ny teknolojia sy serasera anatina tambajotra», hoy ny Kaomisera Hassan

Tratra ilay tovolahy teny Iavoloha tompon’antoka tamin’ny fanararaotana ara-nofo tamin-jazalahikely… maro ny tranga efa tratra ihany koa mitovy amin’io, sy ny mety mbola miafinafina any.  « Anisan’ny mampirongatra ny fanararaotana ara-nofo ny fampiasana ny teknolojia sy ny serasera malalaka anatina tambajotra sosialy. Mety tafiditra anatin’ireny vondrona « gay » ireny koa ny ankizy, ankoatra ny fitondran-tena efa mirona makany », hoy ny kaomisera Hassan Monigue, lehiben’ny polisy misahana ny heloka amin’ny fitaovan-tserasera eny Anosy. Araka io fanazavany io, manamora ny firongatry ny fanararaotana ara-nofo amin’ny endriny rehetra ny fivoaran’ny teknolojia. Anisan’izany ny fahamoran’ny finday «androïde » ahafahana mampiasa « internet », ny fahalalahan’ny tolotra amin’ireny fampiasana « facebook » sns ireny ka manamora ny fahafahan’ny olona mampiasa izany. Mandeha ao daholo na fanararaotana ara-nofo, ny fivarotan-tena, ny fanalam-baraka sy filazana tsaho. «Izay fitoriana na fitarainana voaray ihany no anaovanay fanadihadiana. Tsy maintsy atao kosa, ny famotorana rahefa misy ankizy voatonontonona na mifandray amin’izany. Misy ireo vovonana toy ny Arozaza, sns ahafaha-mandray fitarainana na fanairana », hoy ihany ny fanazavana.

Ao anatina iray volana…

Misy 21 ny fitoriana voarain’ny polisy momba ny fandikan-dalàna « facebook »

Araka ny fanazavana azo ihany, tao anatin’ny iray volana nahatratra 21 ny fitoriana tonga teny anivon’ny polisy misahana ny heloka amin’ny fitaovan-tserasera eny Anosy, momba ny fandikan-dalàna amin’ny « facebook ». Tao anatin’izany ny fanalam-baraka, fandrahonana, fanelezana vaovao tsy marina, fisandohana anarana sns.

Ny lalàna 2014-006 amin’ny andininy faha 22 ka hatramin’ny 25 no mifehy ny fandikan-dalàna anaty tambajotran-tserasera. Anatin’ireo ny lalàna momba ny Cybercriminalité, ny fampiasana sary mamoa-fady mahakasika ny ankizy mifandraika amin’ny «pédophilie » sns. Ny fitsarana kosa nefa no tompon’ny fanapahana amin’ny sazin’ireny olona ireny, arakaraka ny fahitany ny vesatra amin’ny fanenjehana.

Vokatry ny fahantrana, ny fampiasana ankizy…

Araka ny fanadihadiana nataon’i Augendra Bhukuth sy Jerome Ballet, tamin’ny oktobra 2009, « La traite des enfants à Madagascar », sy tamin’ny Sitan 2014, Unicef, p.112 fa vokatry fahantrana no anisan’ny mampirongatra ny fanararaotana ara-nofo mahazo ny ankizy. Fahantran’ny anikizy sy ny fianakaviany ka miafara amin’ny fivarotan-tena ataon’ny ankizy, ka araraotin’ny sasany, izay miteraka ny «pédophilie » sy ny fanaparitahana sary mamoafady mifandraika amin’izany. « Ny fahantrana lalina, tsy maintsy mihinana no mitarika makany amin’ny karazana fanararaotana sy herisetra manjo ny ankizy », araka ireo fanadihadiana tamin’ireo boky voalaza etsy ambony. Mifandray amin’izany ny tsy fahafahan’ny ankizy mianatra intsony izany, ka voatery miasa ny ankizy ary miafara amin’ny fanararaotana sy herisetra izany. Ny  fampiasana ankizy anisan’ny mampirongatra izany.

Tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana. Ny ady sy ny korontana ao an-trano anisan’ny manosika ny ankizy hiala ao an-tranony ary tsenain’ny fanararaotana sy herisetra ara-nofo avy eo. Misy koa ireo ray aman-dreny mihitsy no manosika ny zanany ho amin’ny fivatotan-tena ka miafara amin’ny fahavoazan’ireo ankizy.

Rado Harivelo sy YAS

 Araka ny fanazavan’ny Dr George R.Brown, ao amin’ny «le Manuel MSD », ny « pédophile » dia aretina mahazo ny saina sy fitondran-tena, izay miantraika amin’ny fitadivana filàna diso tafahoatra, izay matetika ny ankizilahy eo amin’ny 13 taona no ho miakatra eo no manao izany, kanefa koa marobe ireo efa lehilahy lehibe. « Raha ankizy na tanora no manao ity fahalovana ity, mety vokatry ny fiainana niainany, mety nandalo korontana ny fianakaviana nipetrahany, na efa niaina herisetra ara-nofo ihany koa », raha ny fanazavany. Raha efa olon-dehibe kosa, ny « pédophile » dia misy ifandraisany amin’ny fahazazany ihany, ny olana ara-tokantrano ka mitarika amin’ny areti-tsaina diso tafahoatra, zary  lasa olona mahery fihetsika sy manao herisetra.

 

 

 

 

Fermer