Non classé
TAMBAVY CVO: Manampy amin’ny fiatrehana ny Covid-19
“Raha tsy nisy CVO angamba teto Madagasikara efa faty nikararana ho nisy teto”, io no tenin’ny Filohan’ny Repoblika, omaly tetsy Bemasoandro Itaosy, raha nanentana ny mponina teny an-toerana izy amin’ny tokony hisotroana hatrany ny Tambavy CVO mba hisorohana ny Coronavirus. Nambarany nandritra izany, fa vitsy ny tahan’ny olona voamarina fa voan’ny Covid-19 eto amintsika, raha mitaha amin’ny firenen-kafa any ivelany, toy izany koa ny isan’ireo olona lavo. Tsy fanamaivanana ireo mpiray tanindrazana efa nodimandry akory, fa kosa entina ilazana fa nisy ny ezaka natao hifehezana ny valanaretina teto amintsika, ary isany nanampy betsaka tamin’izany ny Tambavy CVO. Isan’ny toerana nambaran’ny Filoha Rajoelina Andry omaly ny any Etazonia, Amerika latina sy ny any Indonezia. Ireo firenena ireo izay efa ahitana olona an’aliny maro lavon’ny Covid-19, ary tsy maharaka ny toerana handevenana ireo nodimandry. Nanomboka tany amin’ny fampahafantarana azy tamin’ny fomba ofisialy dia efa voalaza ombieny ombieny fa mampitombo ny hery fiarovana ny tambavy CVO. Tsy vitsy ihany koa anefa taty aoriana ireo olona efa sitrana tamin’ny Coronavirus no nijoro vavolombelona fa tena nahomby tamin’ny fitsaboana azy ireo, ny Tambavy CVO..
Voaporofo fa mahasitrana
Raha ny zavamisy eto amintsika no jerena, indrindra ny fomba fiaina sy ny toeram-ponenan’ny mponina amin’ny ankapobeny dia tena nampivarahontsana tokoa ny nahare fa niditra teto amintsika ny Covid-19. Ny Filoham-pirenena dia nilaza mazava tsara, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fizarana ny “Sosialim-bahoaka” tetsy amin’ny Kianja Malacam, fa ny nahatonga ireo olona mipetraka eny “ambany tanana” tsy voan’ny Coronavirus, dia vokatry ny fisotroana ny Tambavy CVO. Raha tsiahivina tokoa mantsy, teny anivon’ireny faritra iva ireny no anisany natao laharam-pahamehana tamin’ny fizarana ny CVO, volana vitsy lasa izay. Hetsika izay nahitana vokany tsara satria tsy nandripaka olona maro teny amin’ireny faritra ireny ny valanaretina. Ankehitriny koa, milaza miara-mahita isika ireo fijoroana vavolombelona samihafa ataon’ny olona sitrana, vokatry ny fisotroana ny Tambavy CVO. Maro izy ireo, raha tsy hilaza afatsy ny mpanankanto “Tence Mena” izay efa sitrana, herinandro maromaro lasa izay. Eo koa ireo olona ambony sy mpandraharaha lehibe eto amintsika izay nanamarina ny fahombiazan’ny CVO. Entina ilazana fa tsy misy voavidy vola ireo olona mijoro vavolombelona ireo, fa faharesen-dahatr’izy ireo tsirairay mihitsy. .
Fanoherana bontolo
Isany mampametra-panontaniana ihany, araka izany, ny fanoherana ataon’ny mpanohitra mahakasika ity tambavy CVO ity. Fanoherana izay azo ambara ho bontolo ihany satria antony ara-politika fotsiny tsotra izao no tsy hankasitrahana izany. Niaraha-nahita ny fisian’ny Solombavambahoaka avy amin’ny antoko mpanohitra iray, izay voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina Covid-19. Io Solombavambahoaka io izay nisafidy ny hisotro ny tambavy CVO nandritra ny fitsaboana azy, satria izay no fantany fa nety taminy. Nahomby tokoa àry ny fitsaboana ka sitrana soamantsara ity depiote ity, ary nijoro vavolombelona fa mahasitrana marina ny CVO. Araka ny fantatra anefa dia lasa hanaovana antsojay eo anivon’ny antoko nanolotra azy ity Solombavambahoaka ity noho io fihetsika nataony io. Trangan-javatra izay manam-porofo fa antony ara-politika no tsy hanekena sy handraisana ny Tambavy CVO ho an’ny antokon’olona sasany.



