Non classé
DISTRIKAN’ATSIMONDRANO: Nisitraka ny fanampiana “Sosialim-bahoaka”
Tsy mijanona ho an’Antananarivo renivohitra ihany, omaly, teny Antanikatsaka Itaosy no natomboka ny fizarana ny vatsy sosialim-bahoaka ho an’ny distrikan’Atsimondrano. Tonga nijery ny fizarana ireo fanampiana tamin’ireo mponina ny Filoham-pirenena mivady. Tahaka ireo kaominina hafa, nahazo vary iray gony, menaka roa litatra, voamaina, ronono mandry mamy, sy siramamy ary Tambavy CVO ho fiarovana amin’ny valan’aretina ny teto Antanikatsaka Itaosy. Tokantrano miisa 1000 no nisitraka ny sosialim-bahoaka tamin’ny andro voalohany omaly, ary mbola hitohy mandritra ny 10 hatramin’ny 15 andro kosa ny fitsinjarana izany. Araka ny fanadihadiana, tokantrano eo amin’ny 3000 isanandro no hisitraka ny fanampiana ho an’Atsimondrano. Nandritra ny fidinan’ny Filoham-pirenena teny Itaosy omaly no nisian’ny fihaonana mivantana teo aminy sy ireo mponina teny an-toerana izay nidina an-dalam-be, naneho fahatezerany noho tsy fahazoana ny anjara fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana. Nihaino ny fitarainan’ireo vahoakan’Atsimondrano, araka izany, ny Filoha Rajoelina Andry, ary nohamafisiny hatrany fa tsy maintsy hahazo ny anjarany avokoa ny tokantrano marefo rehetra tsy an-kanavaka..
Mpitondra tompon’andraikitra
Hisy ny lamina hapetraka ary hahazo ny anjarany ny tokantrano tsirairay hoy hatrany ny Filoha. Nampitandrina ireo sefo fokontany sy tompon’andraikitra eny ifotony izay mbola minia manao risoriso amin’ny fizarana ireo fanampiana ihany koa ny filoha Andry Rajoelina ary nanambara fa hiharan’ny sazy hentitra izay tratra manao izany. Nanoloana ity savorovoro nisy teny Itaosy omaly ity, nanamafy ny Filoha fa vonona hatrany izy hiatrika sy handray ny fitarainan’ny vahoaka. Ny mpitondra tompon’andraikitra, hoy izy, no mahasahy miatrika vahoaka. Ny fotoana, omaly, izay nanararaotan’ny Filoha Rajoelina, nanambarana ny fanavaozana ny Kianja ao Bemasoandro Itaosy. Ity kianja ity izay efa namoaka mpilalao baolina kitra malagasy maro, isan’izany Bolida sy Abel Anicet. Nampanantena, araka izany, ny Filoha fa hatomboka farak’izay aingana ny asa fanamboarana. Ary ho atao “Synthétique” ny Kianja. Ity farany izay toerana anisany be tanora mpilalao baolina kitra, any amin’iny distrikan’Atsimondrano iny.


