Fanadihadiana Manokana

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA : Hotohizina ny fampandrosoana napetraka, 62 taona lasa

Feno 62 taona katroka anio, ny fanambarana tamim-pomba ofisialy ny fialan’ny Madagasikara eo ambany vahohon’i Frantsa, indrindra amin’ny tsy fiankinana amin-dry zareo. Notapahina fa rafitra Repoblikana no hitondrana ny Firenena. 62 taona aty aoriana miverina indray ny nahafantarana ny Repoblika I, tamin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa sy fanomezana ainga vao ny toekarena tanterahin’ny Fitondrana ankehitriny. Fanadihadiana…

14 oktobra 1958 – 14 oktobra 2020. Feno 62 taona katroka anio, ny nanambarana ny fijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara teny amin’ny efitrano filanonan’i Lisea Galliéni, Andohalo. Madagasikara niala teo ambany vahohon’ny Frantsay ka nanjary Firenena repoblikanina. Ny lalàna naha zanatany an’i Madagasikara, nanomboka ny 6 aogositra 1896, vokatry ny faharesentsika an’ady no foana, taorian’ny fanambarana ny fijoroan’i Repoblikan’i Madagasikara. Nampiavaka ny fijoroan’i Repoblika, ny firedonana voalohany ny hiram-pirenena « Ry tanindrazanay malala ô ! ». Niavaka koa io fotoana io satria  teo no nananganana voalohany ny sainam-pirenena malagasy. Nanao randran-tarihiny ny fametrahana ny teny filamatry ny Repoblika I : Fahafahana – Tanindrazana – Fandrosoana. Niova nanaraka azy io kosa, ny fametrahana ny teny filamatra isaky ny fiovan’ny Repoblika.

Amin’izao Repoblika fahefatra izao, ny « Fitiavana – Tanindrazana – Fandrosoana » no teny filamatra. Tsapa fa tsy ampy ho an’i Madagasikara ny fijoroan’i Repoblika satria mbola niaina tao anatin’ny « Lalàna lasitra ». Tsy nitsahatra nifampiraharaha hiverenan’ny Fahaleovantena ireo lohandohan’ny mpisorona. Isan’izany i Philbert Tsiranana, izay lasa Filohan’ny Repoblika I, izay lany ho filohan’ny Repoblika, taorian’ny fifidianana, ny 1 mey 1959.Taorian’ny fahavitan’ny rango-pohy,  ny 26 jona 1960, teny  Andafiavaratra,  nambara ho ren-tany ho ren-danitra teo amin’ny Vatomasina Mahamasina, ny fiverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara.

Hitondra ainga vao ho an’ny toekarena…

Nigadona omaly, tao amin’ny distrikan’Antsohihy, Faritra Sofia ny Filoha Andry Rajoelina ao anatin’ny fitsidiham-paritra nataony ho fanamarihana ny faha-62 taon’ny nahaterahan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Nitsidika avy hatrany ny toerana fikajiana ny « fotsimaso » ao Bekotrobaka izy. Ganaganadia vitsy an’isa indrindra eto ambonin’ny tany. Biby efa noheverina ho lany tamingana tanteraka ny fotsimaso na ny « Fuligule de Madagascar », ny taona 1991. Vokatry ny fikarohana nataon’ny Peregrine Found kosa, no nahitana indray ny fotsimaso miisa 13 tao Matsaborimena akaikin’i Bemanevika; nandritra ny fikarakarana karazam-borona hafa tao amin’ny 300km avaratry ny Matsaborin’Alaotra.

Nitsidika ny toerana fikirakirana lavanila tao amin’ny Ozinina Savan Sahanala ao Bekotrobaka koa ny Filoham-pirenena. Folo taona nijoroana ity orinasa mpamokatra sy mpikirakira lavanila ao amin’ny faritra Sofia ity. Ary manana ivon-toeram-pamokarana dimy hafa manerana ny Nosy. Fikambanana tantsaha mpamokatra lavanila na kaoperativa ny Savan Sahanala. Anarivony ireo mpikambana amin’izao fotoana izao. Ary tantsaha avokoa ny mpikambana ao anatin’ny Filankevi-pitantanana. Miara-miasa amin’ny Vovonana goavana amin’ny sehatry ny « agroalimentaire » amerikanina antsoina hoe « ADM » na Archer Daniels Midland Company ny kaoperativa amin’ny lalam-barotry ny lavanila. Tafiakatra hatrany amin’ny 3 % ny tahan’ny « vanilines » ao amin’ny lavanila vokarina ao an-toerana raha toa ka manodidina ny 1,6 hatramin’ny 2,2 % izany amin’ny ankapobeny. Manodidina ny 170 taonina isan-taona eo ny vokatra lavanila efa voakarakara mivoaka amin’ny Savan Sahanala.Tombanana, araka izany, fa hitondra ainga vao ho an’ny toekarena ny fahatsaran’ny kalitaon’ny lavanila mivoaka ao.

Ankoatra izay, nihaona manokana tamin’ny tomponandraikitra sy manampahefana tao amin’ny « Maison des élus » tao Antsohihy koa ny Filoha, omaly hariva teo, tahaka ny fomba fanaony isaky ny manao fitsidiham-paritra. Noresahina tamin’izany ireo hetahetan’ny vahoaka amin’ny toerana tsidihina sy ireo asa maika tsy maintsy tanterahina, mba ho tsy ho tara sy hadino intsony Antsohihy. Noresahina koa ny momba ny lanonana ho fankalazana ny fahaterahan’ny Repoblikan’i Madagasikara, anio 14 oktobra 2020.

Hanohy ny fananganana fotodrafitrasa…

Misy ny fifandraisana ara-tantara teo amin’ny fahaterahan’ny Repoblika I sy ny tanànan’Anahindrano Antsohihy. Nametraka tantara tamin’ny Firenena, tamin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa maro ny Raiben’ny Fahaleovantena, Philbert Tsiranana. Maro ireo fotodrafitrasa ireo no efa rodana sy tsy nisy fikarakarana intsony, noho ny tsy fisian’ny fitohizan’ny asa isan-karazany. Isan’ireny ny sekoly, lalana, biraom-panjakana samy hafa. Manohy ny ezaka ny fampandrosoana ny Fitondram-panjakana ankehitriny, amin’ny alalan’ny fanohizana ireo fananganana fotodrafitrasa isan-karazany, izay efa natomboky ny Filoha teo aloha, Philbert Tsiranana.

« Fotodrafitrasa betsaka ary iainan’ny mpiasam-panjakana naorin’ny Filoha Tsiranana. Na ireo cité nipetrahan’ny vahoaka, raha tsy hiteny afa-tsy ny eny 67 ha, ireo biraom-panjakana. Hita taratra izao, fa mandimby izany asa izany, ny Filoha Andry Rajoelina. Nametraka fotodrafitrasa goavana, izay lovain’ny taranaka fara aman-dimby. Mino aho fa mbola maro ireo zavatra goavana ho ataon’ny Fitondram-panjakana, aleo ny 14 oktobra isika mahita azy », hoy ny Governoran’ny Faritra Sofia, Lyllison de Réné. Ho fety feno haravoana. Fampandrosoana ao amin’ny distrikan’Antsohihy sy Faritra Sofia iray manontolo.

– Tonga nitsena ny Filoha, ny Governoran’ny Faritra Sofia, Lyllison de René.

Andron’ny 14 oktobra

Natao ho andro iasana tahaka ny andro rehetra ihany

Araka ny fanambaran’Andriamatoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, momba ny fankalazana amin’ny fomba tsotra ny andron’ny 14 oktobra 2020, ny tsingerintaonan’ny nanambarana ny Repoblika Voalohan’i Madagasikara, ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy dia mampahafantatra ny be sy ny maro fa io andro voalaza io dia natao ho andro iasana tahaka ny andro rehetra ihany. Araka izany, tsy hisy ny fanamarihana izany fa toy ny andro fiasana rehetra ihany ny androa androany.

Raha tsiahivina, ny 14 oktobra 1958, no nanambarana ny fijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara teny amin’ny efitrano filanon’ny Lycée Galliéni teny Andohalo. Firenena repoblikanina i Madagasikara nanomboka teo, ka voalaza fa olom-boafidy no mitondra azy. Foana ny 15 oktobra 1958 ny lalàna nahazanatany frantsay an’i Madagasikara. Natsangana voalohany tamin’izany ny saim-pirenena malagasy, noredonina ihany koa ny hiram-pirenena « Ry Tanindrazanay malala ô ». Napetraka ny teny filamatry ny Repoblika voalohany : Fahafahana-Tandrindrazana-Fandrosoana.

Ny Repoblika Voalohany (1960 – 1973)

Ny Filoham-pirenena malagasy Philibert Tsiranana no nanasonia miaraka amin’i Michel Debré ny fifanarahana momba ny fahaleovan-tenan’ny Repoblika Malagasy tamin’izany. N1960-1973, no vanim-potoana nandraisan’ny malagasy ny fitantanana ny fireneny indray, izany hoe mitovy amin’ireo firenena rehetra eran-tany i Madagasikara. Saritsarim-pahaleovantena ihany no nilazana io vanim-potoana io satria ny sehatra rehetra dia nakan’ny mpitondra tamin’izany fankatoavana tany amin’ny firenena nanjanaka teo aloha. Ary izay no niteraka ny fanehoam-panoherana ny taona 1972 ka niafara tamin’ny fahataperan’ny Repoblika Voalohany.

Ny Repoblika Faharoa (1973 – 1991)

Taorian’ny faharavan’ny Fitondran’ny Repoblika Voalohany dia nisy ny Tetezamita izay fotoana noheverina handinihan-tena teo amin’ny Tantaran’i Madagasikara. Ny Jeneraly Ramanantsoa no nisahana ny andraikitra feno tamin’izany saingy noho ireo tarazo nisy vokatry ny teritery tamina sokajin-javatra maromaro teto anatiny sy tany ivelany dia voatery nametra-pialana ny lehilahy ka namindra ny fahefana teo aminy. Ny Kolonely Ratsimandrava no nandray izany tamin-kafanam-po; ary mbola tsy afaka ao am-pon’ny Malagasy niaina izany fotoana izany ilay fehezan-teny malaza hoe: “Tsy hiamboho adidy aho jeneraly ! ».

Pejy iray teo amin’ny tantaran’i Madagasikara io, ary noheverina fa teboka hiaingana hiatrehana ny fandrosoana eran-tany. Teo vao nihevitra fa ho afaka tanteraka ny vanim-potoanan’ny Fanjanahantany. Herinandro ihany anefa ny faharetan’izany satria maty voatifitra ny kolonely Ratsimandrava ny 11 febroary 1975. Nisy tetezamita indray teo fa tsy naharitra an-taona fa am-bolana ihany.

Nitondra ny Filoham-pirenena Didier Ratsiraka

Ny Capitaine de frégate Ratsiraka Didier no voatendry hitondra an’i Madagasikara taty amin’ny faran’ny taona 1975. Niezaka ny hitondra hevi-baovao sy fijery vaovao tamin’ny alalan’ny fandaharan’asa iray dia ny Boky izy ary naharesy lahatra ny maro tamin’ny Malagasy izy tamin’izany.

Noho ireo toe-javatra maro nitranga ka niteraka fahoriana sy fahasahiranana lalina teo amin’ny fiainam-pirenena, dia voatery ny vahoaka izay nentan’ny antoko politika sahy nanohitra ny fitondran’i Ratsiraka Didier naneho fa tsy afaka ny hiharitra intsony izy. Rehefa nitokona am-bolana vitsivitsy ny vahoaka dia resy lahatra ny mpitondra fa tsy afaka hampandeha ny fitondrana intsony ka nifampiraharaha tamin’ny mpanohitra izay neken’ny vahoaka ho mpitondra ny feony.

Ny Repoblika Fahatelo (1991 – 2014)

Ny 31 Oktobra 1991 no nanamarika ny fiafaran’ny Repoblika faharoa ary koa varavarana hisokatra hoan’ny Repoblika fahatelo. Na dia tsy nanapakevitra firy intsony teo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana intsony aza Ratsiraka dia mbola nitazona ihany ny anaram-boninahitra maha filohan’ny Repoblika azy ihany. I Zafy Albert no nitazona ny andraikitra teo amin’ny andrim-panjakana (H.A.E) lehibe natao hampijoroana ny Repoblika fahatelo. Narafitra ny lalam-panorenana vaovao, natao daholo izay rehetra hita fa madinana tokony ho tetenina tamin’ny lasa.

Ny taona 1993 vao tafajoro tanteraka ny repoblika fahatelo, lany ho Filoham-pirenena. Sahirana teo amin’ny fitadiavam-bahaolana ara-toekarena ireo mpitondra ka niteraka fifanoheran-kevitra teo amin’ireo samy mpiaramitolona izany, ka ny taona 1996 dia voatery naato tamin’ny asany maha filoham-pirenena azy i Zafy Albert, io dia ny lalampanorenana ihany no nahafahana nampiato azy ary sambany teo amin’ny Tantaran’i Madagasikara no nisy fanonganam-panjakana tao anatin’ny fanajana ny lalàna tanteraka.

Nitsangana ny tetezamita notarihin’i Ratsirahonana Norbert izay filohan’ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàm-panorenana tamin’izany. Tafaverina ho filoha indray Ratsiraka ny taona 1997 ary nanitsy ny Lalàm-panorenana ka ny mahaolona sy ny tontolo iainana indray no nentiny handresena lahatra ny malagasy.

Ny taona 1999 nisy ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna ka tamin’izany no nipoirana olona vaovao teo amin’ny sehatra politika. Anisan’ireny ny mpandraharaha tompon’ny orinasa Tiko, izay tsy fantatra fa ny vokatra vokarin’ny orinasany ihany no fantatra. Rehefa ho tonga ny fotoam-pifidianana izay ho filoham-pirenena dia nirotsaka ho fidina Ravalomanana Marc. Rehefa nirotsaka izy dia lany ho Filoham-pirenena ka nitondra nandritry ny 07 taona, izany hoe ny taona 2002 ka hatramin’ny taona 2009.

Taorian’izay ny fitsanganan’ny fitondrana tetezamita notarihan’ny Filoha Rajoelina. Nodimbiasan’i Hery Rajaonarimampianina, ary niverina teo amin’ny Fitondrana rehefa lanim-bahoaka ny Filoha Rajoelina nanomboka ny taona 2019. Anisan’ny namerina indray ny hambom-pompirenena izy.

Rado Harivelo sy YAS

Fermer