Toekarena
FIFANINANANA TETIKASA FORMAPROD : Fampirisihana ny tanora handraharaha amin’ny tontolo ambanivohitra
Sakana amin’ny firosoanan’ny tanora amin’ny fandraraharana ny tsy fanampiana traikefa sy enti-manana hanatanterahana tetikasa. Antony nahatonga ny teo anivon’ny FormaProd, niroso tamin’ny asa fampiofanana tanora nanomboka ny taona 2014. Tetikasa izay miompana betsaka amin’ny fanomezana torolalana sy teknika ho an’ny tanora manam-paniriana handraharaha amin’ny tontolo Ambanivohitra. Ny sehatry ny fiompiana sy fambolena ary ny Jono no tena hisehan’ny tetikasa. Misy koa anefa fanampiana ho an’ireo izay maniry hiofana momba ny asa tanana. Amin’ity taona ity, hisy ny fifaninana atao ho an’ireo tanora manana tetikasa eto amin’ny Faritra Analamanga, nahazo fiofanana tao amin’ny FormaProd, izay hiara-mikarakara amin’ny CRFAR Analamanga.
Mizara roa ny fifaninanana
Telo taona izay no nisian’ny fifaninanana tetikasa, avy amin’ny fampiofanana tao amin’ny FormaProd. Mampiavaka ny andiany tamin’ity taona ity kosa ny fiantsoana fandraisana anjaran’ireo tanora rehetra efa nisitraka ny fampiofanana tao amin’ny FormaProd hatramin’izay. Araka ny fanazavan’ny Tompon’andraikitra, hizara roa ny fifaninanana. Hisy ny fifaninanana ataon’ireo mpiahy ny tanora na « tuteur ». Izy ireo izay tantsaha mpamboly sy mpiompy matihanina, ary nitan-tsoroka ireo tanora nandray fiofanana hatramin’izay. Etsy ankilany, hisy fifaninanana eo amin’ireo tanora nisitraka fampiofanana, izay hizara sokajy roa. Sokajy voalohany ireo tanora nisitraka fampiofanana saingy mbola tsy nahazo ny tohana mifandraika amin’izy fa efa nanatanteraka ny tetikasan’izy ireo kosa. Sokajy faharoa kosa ireo tanora Sady nisitraka fampiofanana no efa nahazo ny tohana ihany koa. Efa nanomboka omaly ny fisoratana anarana amin’izany, ary tsy hifarana raha tsy any amin’ny faran’ity volana ity. Eny amin’ireo fari-piadidian’ny fambolena sy Fiompiana ary ny Jono manerana ny Distrika eto amin’ny Faritra Analamanga, sy eny amin’ny ivon-toerana rehetra ahitana ny FormaProd, no hanaovana ny fisoratana anarana.




