Singa iray hahafahana mahatratra ireo vinam-pampandrosoana rehetra tiana hapetraka eto amin’ny firenena ny fiarahamiasa amin’ny sehatra tsy miankina. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny fahasalamambahoaka izay tsapa ho tena mbola mila tosika tokoa ho antsika eto Madagasikara, indrindra nandritra ny vanim-potoan’ny krizy ara-pahasalamana. Noho izany indrindra dia nanolotra fampitaovana fampiasa amin’ny fitsaboana marary maro, toy ny bassin de lit en plastique, brancard pliable, lampe frontale, lunetted’oxygène, plulvénisatur avec 50 pastilles, satuxromètre d’oxgygène, ho an’ny CSB 2 Namotana ny Vondrona Filatex, omaly, ho fanampiana amin’ny ady amin’ny valanaretina covid-19. Izao hetsika izao dia vokatry ny fifanatonana teo amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny Vondrona Filatex amin’ny ady amin’ny valanaretina covid -19, volana maromaro lasa izay. Ho fanohanana ny programanasa ara-pahasalamana eo anivon’ny CUA, izay voarakitra ao anatin’ny Veliranon’Iarivo, araka izany, dia tonga namaly ny antso ny “Groupe Filatex”. Fiaraha-miasa voalohany eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny “Groupe filatex” izao, fa mbola hitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, araka ny fanazavana. Mbola hisy ny fampitaovana sy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ny ao amin’ny centre Namontana, hoy ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Vondrona Filatex, Tanteraka Andrianiaina Rakotoarisoa.




