Non classé
AMNESTY INTERNATIONAL, RSF, … : Manao dika vilana ny zava-misy eto Madagasikara
Saika niraisan’ny fanehoan-kevitr’ireo fiarahamonim-pirenena sy rafitra iraisam-pirenena, toy ny Amnesty International, Reporter sans frontière, ny filazana fa manararaotra ny Hamehana ara-pahasalamana ny Fanjakana ankehitriny, mba hanapenam-bava sy hanohitohinana ny fahalalahana maneho hevitra eto Madagasikara. Isan’ny nahazoan’ny Fanjakana fanakianana mavaivay ohatra ny nampidirana am-ponja an’i Arphine Helisoa. Ity farany izay niditra am-ponja, tsy noho ny fahadisoana natao an-gazety, fa noho ny fiantsiana fankahalana ny Filoham-pirenena, izay natao tany anaty tambazotran-tserasera. Nitovy tranga taminy koa ilay mpanentana fandaharana tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra, izay nanaparitaka antontanisa diso sady mioham-pampana mahakasika ny Covid-19, tany amin’ny tambazotran-tserasera. Izany hoe, tsy misy hifandraisany amin’ny resaka hadisoana amin’ny asa fanaovan-gazety no nanenjehan’ny rantsam-pitsarana mahefa ireny olona ireny, fa ny heloka nataony tany anaty tambazotran-tserasera na « Cybercriminalité ». Diso tanteraka, noho izany, ny filazana fa voatohitohina ny fahalalahana maneho hevitra eto Madagasikara, indrindra ny sehatry ny asa fanaovan-gazety. Tsara ny mampahafantatra fa tsy ny lalàna mifehy ny serasera akory no nitsarana azy ireo fa ny lalàna mahakasika ny « Cybercriminité »..
Tsy misy ambadika politika
Vao tsy ela koa no voasambotra ny Minisitry ny serasera teo aloha, Rahajason Harry Laurent, na i Rolly Mercia. Vantany vao niseho ny raharaha mahakasika azy dia betsaka indray ireo naneho hevitra sy nilaza fa ambadika politika no nisamborana azy. Izy rahateo koa mpanao gazety, ka mora tamin’ny sasany no nanizingizina fa fanohitohinana ny asa fanaovan-gazety ny nampidirana an’I Rolly Mercia am-ponja. Niaraha-nahalala anefa ny antony nampidiran’ny fitsarana azy am-ponja fa resaka fanohitohinana ny filaminan’ny Fanjakana, tamin’ny alalan’ny fanaovana hetsika tsy nahazoana alalana, izay nangataka ny famoahana an’i Ravelomanantsoa Berija. Raha tsiahivina, ny iray tamin’ireo nanao hetsika teny Ambohipo, ary nosamborin’ny mpitandro filaminana, no nanonona ny anarany. Antony nisamborana sy nanaovana fanadihadiana azy. Mbola anaty Hamehana tanteraka anefa isika izao. Mbola voarara tanteraka, noho izany, ny endrika famorian’olona ho fitandroana ny fiparitahan’ny aretina. Tsy tokony hararaotina entina hanenjehana Fanjakana, noho izany, ireny raharaha ireny satria mazava tsara daholo ny antony. .
Fanambarana tsy misy porofo
Ankoatra izay, misy amin’ireo rafitra sasany, toy ny Reporter Sans Frontière (RSF), izay manao filazana tsy mitombina sy tsy misy porofo amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena. Isan’izany ohatra ny raharaha Real TV, izay nilazan’izy ireo fa nosomparan’ny Fanjakana, tamin’ny fotoana tokony hamerenana ny fandaharana manokana nivahinianan’ny Filoha teo aloha Ravalomanana, tao amin’ity fahitalavitra ity. Ny tompon’andraikitra teo anivon’ny Real TV anefa nanambara fa olana ara-teknika tamin’ny “Emetteur” no niseho tamin’iny fotoana iny. Diso tanteraka, noho izany, ny filazana fa nosomparan’ny Fanjakana ity fahitalavitra tsy miankina ity. Ary koa, tsy manana porofo mivaingana entina hiampangana ny Fanjakana akory ny RSF, raha nilaza fa nisy ambadika ny olana nisy teo amin’ny Real TV. .
Malalaka ny famoaham-baovao
Hatramin’ny nisian’ny valanaretina teto Madagasikara, isan’ireo sehatra nataon’ny Fanjakana “Requisition” ny haino aman-jery rehetra. Misy anefa manao dika vilana izany ka milaza fa tsy mahazo mamoaka vaovao, raha tsy vaovao ofisialy ny haino aman-jery tsy miankina rehetra. Diso tanteraka anefa izany, satria mahazo mamoaka ny vaovao rehetra izay tiany sy mifanaraka amin’ny lalan-jotran’ny fanoratany ny haino aman-jery tsirairay avy. Ny vaovao mahakasika ny Covid-19 kosa, indrindra ny resaka antontanisa, no tsy maintsy hiarahan’ny haino aman-jery rehetra mamoaka, mba hisorohana ny fiparitahan’ny vaovao diso sy tsy mitombina, ka mety hitarika korontana. Tsy fantatra mazava, noho izany, ny tanjon’ireo rafitra sy fiarahamonim-pirenena miezaka mandiso ny zavamisy marina eto Madagasikara ireo. Eny fa na ireo mpanao gazety, solontenan’ny haino aman-jery iraisam-pirenena, miasa sy ny monina eto Madagasikara koa aza dia tafalatsaka amin’ny fandisoana vaovao, sy famoahana vaovao tsy mifanaraka amin’ny hodidina tokony hisy azy. Hany ka manome endrika ratsy an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

