PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA LOHOLONA: 14 ireo taratasy filatsahan-kofidiana voaray nanerana ny Nosy
Araka ny didim-panjakana izay nankatoavin’ny Filankevitry ny Governementa ny 09 Septambra lasa teo, tapitra omaly 12 Oktobra tamin’ny 5ora hariva ny fahafaha-mametraka antontan-taratasy filatsahan-kofidiana amin’ny fifidianana Loholona. Araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny Fifidianana, naharaisana antontan-taratasy firotsahan-kofidiana avokoa ireo OVEC enina eran’I Madagasikara. Ary tafiakatra 14 ny fitambaran’izany. Tamin’ny ankapobeny dia saika niandry ny faran’ny fe-potoana hahafahana mametraka ny antontan-taratasy daholo ireo nilatsaka hofidiana. Anisan’izany ny lisitry ny kandida avy eto Antananarivo. Omaly tokoa mantsy vao nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany avy amin’ny vondrona antoko Isika Rehetra Miaraka amin’ny Andry Rajoelina na Irmar. Mitarika ny lisitra amin’izany Razafimahefa Herimanana, Rabetsaroana Sylvain, Rajaonarison Dina, Andriatahirilalao Jacques Jonah, Rakotondrasoa Joseph. Nanatitra ny filatsahan-kofidiany koa ny avy amin’ny Mahaleo tena, tarihin’i Faly Rasolonjatovo, izay efa kandida tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena.
Tetsy ankilany, isany nanamarika ny fametrahana antontan-taratasy filatsahan-kofidiana, indrindra teto amin’ny faritanin’Antananarivo sy Toamasina, ny fandrotsahan’ny antoko Malagasy miara-miainga kandida mitokana. Nanambara ny Filohan’ity antoko ity fa amin’ny maha-antoko politika ny MMM dia tsy maintsy mandray anjara amin’ny fifidianana izy ireo. Nomarihina fa tamin’ny fifidianana ho Filohan’ny Repoblika ihany izy ireo no nivondrona tao amin’ny vovonana manohana ny Filoha Andry Rajoelina. Taorian ‘izay, raha tsiahivina, dia efa nanana ny kandidany nitokana hatrany ny MMM, na tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka izany, na tamin’ny kaominaly. Ity antoko ity izay milaza ho manana mpifidy vaventy hatramin’ny 500 isa eto Antananarivo.
Dinihina manomboka anio
Hanomboka anio ny fandinihana ireo antontan-taratasy rehetra voarain’ny teny anivon’ny OVEC isam-paritany. Ankoatra ireo efa mandrafitra ny OVEC dia hisy olona avy amin’ny fitsarana sy avy amin’ny hetra ihany koa hiara-handinika ny antontan-taratasin’ny kandida tsirairay. Tsiahivina fa aorian’ny fandraisan’ny OVEC ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana dia manana telo andro izy ireo hanomezana valinteny ny kandida na ny lisitry ny kandida. Izany hoe, na lavina na ekena ny filatsahan-kofidianan’ilay kandida. Raha nekena ny filatsahan-kofidiana dia mahazo ny “Certificat d’enregistrement” ny kandida. Raha nolavina kosa izany, azon’ny kandida atao ny mitondra ny raharaha eo amin’ny Vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana (Ceni) foibe. Izany hoe, manangataka ny Ceni mba hamerina hijery indray ny taratasy filatsahan-kofidiana. Raha toa ka mbola lavin’ny Ceni izany, dia mbola afaka mitondra ny raharaha any amin’ny fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, mba mangataka ny hampidirana azy amin’ny lisitry ny kandida hifaninana amin’ny fifidianana, ilay filatsahan-kofidiana.




