PolitikaSongadim-baovao

ANTENIMIERAMPIRENENA: Hanomboka ny talata izao ny fivoriana ara-potoana faharoa

Araka ny andininy faha-75 voalaza ao amin’ny Lalàmpanorenana, mivory indroa isan-taona ny Antenimierampirenena ka ny fivoriana faharoa amin’izany dia ny Talata fahatelo amin’ny volana oktobra, fivoriana izay natao indrindra handinihana ny Teti-bolam-panjakana ho amin’ny taona manaraka. “Ho fanajana izany voalazan’ny Lalàmpanorenana izany dia antsoina ny Solombavambahoaka rehetra mba ho tonga hamonjy izany fivoriana ara-potoana faharoa izany manomboka ny 20 oktobra 2020 ho avy izao”, hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Antenimierampirenena omaly. Mbola tsy voafaritra kosa ny toerana hanatanterahana ity fivoriana ity. Raha tsiahivina, teny amin’ny CCI Ivato no notanterahana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena tamin’ity taona ity. Mbola teny ihany koa no natao ny fivoriana tsy ara-potoana nandaniana ilay volavolan-dalàna laharana 001/2020. Mba hahafahana manaja ireo fepetra takian’ny Hamehana ara-pahasalamana no anton’izany. Andrasana, noho izany, izay toerana hanaovana ity fivoriana ara-potoana ity, hanomboka amin’ny talata izao.

Fermer