Songadim-baovaoToekarena

FANDRAHARAHANA NY HETRA: Miverina tsikelikely amin’ny asa mahazatra

Nahitana fiovana ny fomba fiasa teo anivon’ny Foibem-pitantanana ankapobeny ny Hetra (DGI), noho ireo fepetra maro samihafa noraisin’ny Fanjakana, ho fanalefahana ny fiantraikan’ny krizy ara-pahasalamana, tamin’ny Malagasy isan-tsokajiny. Omaly, nisy ny fampitam-baovao avy amin’ny DGI, mikasika ny fiverenana tsikelikely amin’ireo asa mahazatra eo anivon’ny fandraharahana momba ny hetra. “Manoloana ny fiverenana tsikelikely amin’ireo asam-panjakana sy ireo asa ara-toekarena, ny foibem-pitantanana ankapobeny ny hetra dia mampahafantatra ny rehetra fa manomboka izao dia miverina amin’ny laoniny ny asa eo amin’ny fandraharahana momba ny hetra”, hoy ny filazana. Io fiverenenana tsikelikely io dia miompana indrindra amin’ny fisavana ara-ketra sy ireo asa famorian-ketra, izay niato teo aloha, araka ireo fepetra noraisin’ny Governemanta ho fanohanana ireo orinasa manoloana ny Hamehana ara-pahasalamana.

Nilaza ny avy eo anivon’ny DGI fa vato fehizoron’ny rafitra ara-ketra mahomby, azo itokisana ary marina, ny fiverenana tsikelikelin’ireo asa mahazatra eo amin’ny fandraharahana momba ny hetra. Manamafy ihany koa ny finiavana hametraka ny fitoviana manoloana ny hetra. “Efa nisy ny fandaminana vaovao ny fomba fanatanterahana ireo asa ireo tamin’ny taona lasa, ka ny tanjona tamin’izany dia ny mba hanamafisana ny fangaraharana sy ny maha matihanina”, hoy fampitam-baovao. Notsindrian’ny Foibe fitantanana momba ny Hetra fa hatao ao anaty fanajana feno ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra ny fanatanterahana ireo asa hatao.

Fermer