PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

ANDALAM-PAHARESENA NY COVID-19: Mitohy anaty fivoarana tsara i Madagasikara

Tsy nisy intsony ny aina nafoy teto Madagasikara tato anatin’ny andro vitsivitsy izay, raha ny ady amin’ny valanaretina Covid-19 no asianteny. Vitsy ihany koa, tetsy ankilany, ireo tranga vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina eto amintsika. Omaly, nilaza ny mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo, fa andalam-pandresena ny Covid-19 isika eto Madagasikara ankehitriny.

Tao anatin’ny ahiahy sy ny tahotra no niainan’ny Malagasy ny Covid-19. Tsy nitazam-potsiny anefa ny Fanjakana fa nametraka paikady mazava nentina niatrehana izany, ary nahitana fahombiazana. Ho an’ny Fitondram-panjakana manokana dia tena fanamby lehibe satria tsy vitsy ireo nanakiana sy nilaza ny tsy fetezan’ny paikady nataon’ny Fanjakana, nandritra izay fito volana izay. Notsindrian’ny mpitondra tenin’ny Governementa, Lalatiana Andriatongarivo, fa “tsy nisy governemanta teto ambonin’ny tany tsy nahazo fanakianana tamin’ny fomba fitantanana ny Covid-19”. Niharan’izany Fitondram-panjakana malagasy, ary tsy nametraka olana tamin’izany koa satria izany no mariky ny Demokrasia, hoy izy. Ny fidinan’ny tarehimarika anefa no marika hahafahana mandrefy ny fahombiazan’ny paikady teto amintsika. Niaiky ny mpitondra tenin’ny Governemanta fa mety nisy ny tsy tonga lafatra tamin’ny paikady napetraka, saingy noho ny ezaka nataon’ny tsirairay, dia andalam-pandresena isika izao. Tombony ho an’I Madagasikara koa ny fananana ny CVO.

Foana ny fandaharana isanandro

Teo anatrehan’ny fidinan’ny antontanisa , nisy ny fanapahan-kevitra noraisina niaraka tamin’ny Filohan’ny Repoblika. Araka izany, tsy hisy intsony fandaharana isanandro, hitaterana ny fivoaran’ny valanaretina eto amintsika. Antony nandraisana izao fanapahan-kevitra izao, hoy ny mpitondra tenin’ny Governemanta, ny efa fidinan’ny tranga voamarina eto amintsika. Efa tena mihena be ihany koa ireo olona sisa mbola manaraka fitsaboana. Ary tato anatin’ny andro vitsivitsy izay dia tsy nisy olona namoy ny ainy. Na izany aza, mandrapaharesy tanteraka ny aretina, dia hisy ny famintinana isan-kerinandro, izany hoe isaky ny sabotsy amin’ny 1ora tolakandro. Hivantana io fandaharana isaky ny sabotsy, ary ny fintin’ny antontanisa nandritra ny herinandro no hotaterina amin’izany fotoana izany. Ary mbola ny Profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle no hiandraikitra ny fitondrana ny fivoaran’ny valanaretina amin’izany.

Nohamafisin’ny Mpitondra tenin’ny  Governemanta fa mbola anaty Hamehana isika. Ary mbola manan-kery avokoa ireo lalàna rehetra takin’izay Hamehana misy eto amin’ny firenena izay. Tafiditra ao anatin’izany ny “réquisition” ho an’ny haino aman-jery. Mazava ho azy, tsy hisy intsony io “requisition” io ho an’ny isanandro, fa kosa mbola tsy maintsy mandefa ny fandaharana isan-kerinandro ireo haino aman-jery tsy miankina rehetra.  Raha misy trangan-javatra “Hamehana”, tsy maintsy ilàna hanaovana fandaharana dia tsy maintsy hampitaina ihany izany, hoy ny fanazavana.

Fermer