Non classé
FIZARANA NY SOSIALIM-BAHOAKA: Novana ny fomba fiasa hisorohana ny fanodinkodinana
Fitarainana hita sy re hatramin’ny fiandohan’ny fizarana ny fanampiana Sosialim-bahoaka ny fanodinkodinana fanampiana sy kolikoly ataon’ireo sefo fokontany. Omaly, nandritra ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny fizarana ny sosialimbahoaka tao amin’ny Distrikan’Avaradrano no nilazan’ny Filohan’ny Repoblika fa nasiana fanovana ny fomba fiasa amin’ny fizarana ny fanampiana, mba tsy hiverenan’ny olana nisy teo aloha intsony. Araka izany, tsy ankinina amin’ny sefo fokontany irery intsony ny fitsinjarana fa hisy tompon’andraikitra avy amin’ny governora, ny kaominina, izay hiara-hiasa amin’ny solombavambahoaka sy ny Fikambanana Fitia amin’ny fandaminana izany..
Tsy diso anjara ny vahoakan’Avaradrano
Ho an’ny omaly, anjaran’ny Distrikan’Avaradrano indray no nisitraka ny Vatsy tsinjo. Araka izany, tokantrano 1000 no hisitraka ny fanampiana ho an’Avaradrano, ka tao amin’ny kaominina Alasora no nisantarana ny fizarana. Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy teny an-toerana ny Filohan’ny Repoblika mivady, nontronin’ny Governoran’ny Faritra Analamanga, ny Solombavambahoakan’Avaradrano ary ny Ben’ny tanànan’Alasora. Toy ny tany amin’ny toeran-kafa, nisitraka vary iray gony, menaka roa litatra, ronono mandry mamy, voamaina, sira, ary Tambavy CVO, ireo mponina teny an-toerana. Nanamafy ny Filoha fa tanjon’izao fanampiana izao ny hanamaivanana ny fahasahiranan’ny vahoaka, ato anatin’izao « krizy ara-pahasalamana » izao. Tsy mikely soroka, araka izany, ny Fitondram-panjakana fa manao izay azony atao amin’ny fanohanana ny vahoaka. Ny Filoha, rahateo, nanipika fa fotoana izao hanehoana ny tena firaisan-kina sy firaisam-po marina, eo amin’ny samy Malagasy, ka ilaina ny fifanomezan-tanana.
Faly ny vahoaka
Tetsy ankilany, an-kafaliana tanteraka no nandraisan’ny vahoakan’Avaradrano ny Filohan’ny Repoblika mivady. Vahoaka efa tao anaty fahasahiranana lalina no indro zary lasa velom-panantenana indray, noho ny fihetsika nasehon’ny Fanjakana, tamin’ny alalan’ny Filoha mivady. Teo anatrehan’izany dia fisaorana sy firarian-tsoa no nasetrin’ny vahoaka ny Fitondram-panjakana, tsy nanadino azy ireo. Ny Filoha Rajoelina izay nanararaotra koa nihaino ny hetahetan’ny mponina teny an-toerana. Nisy mihitsy fotoana nanaovany tafa fohy tamin’ireo vahoaka marobe tonga nitsena azy. Nandritra ny fandraisam-pitenenany, nankahery ny vahoaka hatrany ny Filoha Rajoelina, ary nanentana ny olona hanaja hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra mba handresena haingana ny valanaretina. Ary indrindra koa, tsy nanadino ny namporisika ireo vahoaka teny Alasora ny Filoha mahakasika ny tokony hisotroana hatrany ny tambavy CVO mba ho fiarovana ny vatana.


