Politika
NOSY MALAGASY: Tsy mihemotra amin’ny fitakiana ny Fanjakana
Nanararaotra niresaka mahakasika ny famerenana ireo Nosy malagasy ny mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo, omaly, tetsy Ambohijatovo. Nambarany tamin’izany fa tsy mihemotra ny Fitondram-panjakana amin’ny fitakiana sy famerenana ireo Nosy Malagasy ireo. Notsindriany fa tsy midika ho tsy fahombiazana ny fiaton’ny dinika teo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny Fitondrana Frantsay. Raha ny tokony ho izy tokoa mantsy dia efa tokony ho tontosa ny andiany faharoa tamin’ny dinika, nataon’ny vaomiera izay natsangana itambarana amin’ny Frantsay. Vokatry ny Hamehana ara-pahasalamana anefa dia tsy afaka natao mihitsy ny fihaonana. Ny tany Frantsa rahateo koa mbola anaty valanaretina tanteraka. Hatreto anefa tsy mbola miova ny hevitr’I Madagasikara mahakasika ny tokony hampiharana ny fiandrianantsika amin’ireo Nosy Malagasy ireo, hoy ny fanazavana.




