PolitikaSongadim-baovao

PROFESORA ZAFY ALBERT: Nametraka maodelin’ny tena Demokrasia sy ny Fampihavanam-pirenena

Rain’ny Demokrasia. Mby ao an-tsaina avy hatrany ny Profesora Zafy Albert vantany vao miresaka Demokrasia isika eto Madagasikara. Zava-dehibe sy tsy azo tsinontsinoavina tokoa mantsy ny sori-dalana efa napetrak’ity Filoham-pirenena teo aloha ity, teo amin’ny sehatry ny Demokrasia sy ny Fampihavanam-pirenena marina, hoy ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjarampahefana, Razafimahefa Tianarivelo. Isany nimatimatesan’ny Profesora Zafy Albert ny Fihavanana, hoy izy. Teny izay nambarany fa tsy misy teny hafa mahadika azy manerana an’izao tontolo izao. Ankehitriny, manam-piniavana hanohy izany vina hapetraky ny Profesora Zafy Albert izany ny Fitondram-panjakana mijoro. Hita taratra amin’ny fahafahan’ny rehetra maneho hevitra sy miresaka izany. Izany hoe, tsy ny Fanjakana mijoro ankehitriny mihitsy no sakana amin’izany firosoana sy fanohizana izany demokrasia efa napetraky ny Profesora Zafy Albert teto amintsika izany. Ho fahatsiarovana hatrany ity oloben’ny Firenena ity, notokanana omaly ny tsangambato fahatsiarovana azy, tetsy amin’ny kianjan’ny Demokrasia Ambohijatovo. Mifanindra andalana amin’izany koa ny fampiratiana mahakasika ny Profesora Zafy Albert, hita eny an-toerana hatramin’ny sabotsy izao. Tonga nanome voninahitra sy nanotrona ny lanonana teny an-toerana ny solotenan’ny fianakaviana sy ny mpiara-miasa aminy ary ireo solotenan’ny Governemanta. Teo koa ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo olona manankaja sy manam-boninahitra.

Fermer