Songadim-baovao
HETSIKA MANOKANA TANY AVARATRA : Fiara 182 tsy tomombana ara-teknika, 59 naiditra « fourrière »
Notontosaina tany amin’ny Faritra Avaratry ny Nosy ny fidinana tampoka nataon’ny Foibe fitsarana fiarakodia, nanomboka ny 5 oktobra lasa teo. Naharitra 10 andro ny hetsika ka nahatratra 182 ireo fiara tsy tomombana ara-teknika, raha 59 ireo fiara naiditra ambalam-pamonjana…

Nanatanteraka hetsika fidinana tampoka « Contrôle inopiné » ny teo anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia tany amin’ny Faritra Avaratry ny Nosy, nanomboka ny 5 oktobra. Nisy ny hetsika goavana fitsirihana ara-teknika an-dalambe, amin’ireo fiara nataon’ny Foibe fitsarana Fiarakodia niarahana tamin’ireo Ivon-toerana fitsarana fiarakodia sy ny mpitandro filaminana tamin’iny lalam-pirenena fahenina. Nambaran’ny Kapiteny Razandrinirinjokiny Honoré, lehiben’ny Sampandraharaha eo anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia fa « antony manokana nanaovana izao hetsika nandritra ny folo (10) andro izao ny fanaraha-maso ara-teknika ireo fiarakodia mifamezivezy an-dalambe ka ahina hitera-doza ». Tao anatin’ny hetsika, fiara miisa 591 no voasava, 182 no « inaptes » ka fiara enina amin’ireo, tena ratsy. Vokatr’ity hetsika manokana ity, fiara miisa 59 naiditra ambalam-pamonjana satria tsy nanao fitsirihana ara-teknika na « défaut de visite technique » ary fiara miisa sivy mampiasa laharana WW tsy nanao fandraisana ara-teknika na « réception technique ». Manampy ireo, fiara 114, tojo tsy fahatomombanana ara-teknika hafa.

Manentana hatrany ny foibe fitsarana fiarakodia fa ireo tompona fiara na ny mpamily hikojakoja sy hanamboatra ireo fiarany taorian’izay fihibohana maharitra izay. Nasongadina fa tokony hanatona ireo Ivon-toerana fitsaràna fiarakodia, amin’ny fotoana tokony hanaovany fitsirihana ara-teknika, hahafaha-misoroka ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe ateraky ny tsy fahatomombanana ara-teknika. Marihina fa hitohy sy hihamafy hatrany ny fitsirihana tampoka an-dalambe ary hivelatra manerana ny Nosy.



