Non classé
LISITR’IREO HAHAZO FANAMPIANA: Hidina ifotony hanadihady ny Fanjakana
Hisy ny lamina vaovao hapetraky ny Fanjakana mahakasika ny fizarana ny « Vatsy tsinjo » manomboka androany. Fantatra izany nandritra ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta vitsivitsy, nahitana ny minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny minisitry ny Fambolena, Jono ary Fiompiana, ny minisitry ny Angovo sy ny Loharanon-karena Stratejika, ary ny Governoran’Analamanga sy ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, omaly, tetsy Anosy. Araka izany, hisy ny fananganana lisitra vaovao, handraketana ireo tokantrano tena marefo, ka tokony hisitraka ny fanampiana. Mba hahafaha-manatanteraka izany, hisy ny fidinana ifotony, ataon’ny avy eo anivon’ny minisitera tsirairay avy, ny Faritra, ny kaominina Antananarivo renivohitra, ny distrika, ny prefektiora, ny fokontany, ny « secteur » ary ny komity loharano, eny anivon’ny fokontany tsirairay avy. Tanjona ny hahafaha-mijery ifotony ny tena zava-misy marina iainan’ny tokantrano tsirairay avy, ka miainga amin’izay no hananganana ny lisitra avy eo. Araka ny fanazavan’ny minisitra Andriatongarivo Lalatiana, hisy rafitra manokana hapetraka aorian’ny fitsanganan’io lisitra vaovao io, hanaovana fanamarihana na fitarainana, raha toa ka mbola misy tokantrano tokony hisitraka fanampiana, kanefa tsy tafiditra..
Haato aloha ny fizarana
Eo anatrehan’izany, nanapa-kevitra ny Fitondram-panjakana fa haato mandritra ny fotoana fohy aloha ny fizarana ny fanampiana mba hahafaha-manatanteraka io fandaminana io. Izany hoe, tsy misy olona tokony handeha hilahatra sy hitangorongorona any amin’ny fokontany intsony manomboka izao, satria efa mandeha ny fandaminana. Vinavinaina ho any amin’ny 11 Aogositra any no tontosa soamantsara izay fidinana ifotony atao izay, hoy ny fanazavana. Tsara marihana fa tsy mijanona ho an’Antananarivo ihany io fandaminana vaovao io, fa mipetraka any amin’ireo faritra rehetra hisitraka ny fanampiana ihany koa. Noho izany indrindra, hoy ny minisitry ny Angovo sy ny Loharanon-karena Stratejika, ny nametrahana ireny minisitra miahy isam-paritra ireny, izay hitarika sy handrindra ny fizarana ny fanampiana any an-toerana. Ho an’Antananarivo koa, efa saika voafaritra ny toerana hiasan’ny minisitera tsirairay avy, izay hiandraikitra an’Antananarivo. Tetsy ankilany, nanazava ny minisitry ny Atitany, omaly, fa ireo renivohi-paritany, ahitana ny valanaretina aloha hatreto no hisitraka ny fanampiana, tafiditra ao anatin’izany Antananarivo, Toliara I, Toamasina I, Fianarantsoa I, Mahajanga I, Antsiranana I. Na izany aza anefa, misy koa ireo distrika vitsivitsy voakasika mafy ity valanaretina ity, izay nahazo fanampiana koa, isan’izany ny Fenoarivo Atsinanana, Moramanga, Ambatondrazaka, Nosy Be, Antsirabe I.
A encadrer
Governoran’Analamanga: “Misy olona manararaotra manakorontana”
Nandritra ny valandresaka niarahana tamin’ny mpanao gazety omaly no nanambaran’ny Governoran’ny Faritra Analamanga fa nisy ireo andian’olona ninia nitondra fanakorontanana, tany amin’ireo toerana nanaovana ny fizarana ny “Vatsy Tsinjo”, nanomboka ny sabotsy teo. Nambarany fa mandray ny andraikiny avy hatrany ny mpitandro filaminana mahakasika ireny, ary efa mandeha ny fanadihadiana manodidina izany. Fotoana izay nanaovany antso avo ho an’ny rehetra, mba tsy hamboly korontana indray satria efa tena sahirana ny vahoaka.
