Politika

FIFIDIANANA AMIN’NY 11 DESAMBRA: Fantatra anio ireo filatsahan-kofidiana nekena

Taratasy firotsahan-kofidiana telo manerana ny Nosy, avy any amin’ny OVEC Fianarantsoa, OVEC Mahajanga, OVEC Toamasina, hatreto no efa mahazo ny “Certificat d’enregistrement”, na nahazo ny fankatoavan’ny OVEC. Ny ambiny kosa dia mbola andrasana hatramin’ny anio amin’ny 5ora ny fankatoavana izany na tsia. Araka ny lalàna dia 72ora no ananan’ny OVEC amin’ny fikirakirana sy fandinihana ireo antontan-taratasy filatsahan-kofidiana voarain’izy ireo. Izany hoe, na lavina na ekena ny filatsahan-kofidianan’ilay kandida. Raha nekena ny filatsahan-kofidiana dia mahazo ny “Certificat d’enregistrement” ny kandida. Tsiahivina fa taratasy firotsahan-kofidiana telo avy no voarain’ny OVEC teto Antananarivo, tao Antsiranana, ary tao Toamasina. Roa avy kosa no voarain’ny tao Fianarantsoa sy Toliara. Ary taratasy firotsahan-kofidiana tokana kosa no voaray tao Mahajanga. Hatao peta-drindrina anio any amin’ireo OVEC isaky ny Faritany ny lisitr’ireo firotsahan-kofidiana nekena. Tsara ho fantatra fa raha nolavin’ny OVEC izany firotsahan-kofidiana izany, azon’ny kandida atao ny mitondra ny raharaha eo amin’ny Vaomiera mahaleotena momba ny  fifidianana (Ceni) foibe. Izany hoe, manangataka ny Ceni mba hamerina hijery indray ny taratasy  filatsahan-kofidiana. Raha toa ka mbola lavin’ny Ceni izany, dia mbola afaka mitondra ny raharaha any amin’ny fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, mba  mangataka ny hampidirana azy amin’ny lisitry ny kandida hifaninana amin’ny fifidianana, ilay mpilatsaka hofidiana.  Ny 29 Oktobra izao, noho izany, ny avy eo anivon’ny Ceni foibe vao hamoaka ny lisitr’ireo kandida ofisialy.

Fermer