Toekarena
ANTSOHIHY: Nomena fitaovana ireo vehivavy mpanao asatanana
Ho fanatsarana ny kalitaon’ny rofia malagasy, notoloran’ny Minisitry misahana ny asatanana, Lantosoa Rakotomalala, toerana fanaovana asatanana ahitana fitaovam-panodinana rofia manaraka ny vanin’andro ankehitriny toy ny “grand métier à tisser” miisa 02; “imprimante 3D” miisa 02 ary “materiel à gravure CNC” miisa 01 ny CERAM “Centre Régional de l’Artisanat Malagasy” any amin’ny faritra Sofia ao Antsohihy. Vehivavy mpanao asatanana miisa 20 ao an-toerana no nisikatra ity toerana fanaovana asatanana ity saingy misokatra ho an’ireo fikambanana hafa maniry hametraka kalitao avo lenta ihany koa. Notolorana karatra mahamatihanina ihany koa ireto vehivavy mpanao asatanana ireto hidiran’izy ireo bebe kokoa ao amin’ny sehatra matihanina. Izany no natao ho fanampiana ireo mpanao asatanana any an-toerana amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra mba hanaraka ny fenitra takian’ny tsena iraisam-pirenena ary koa hampitomboana ny famokaran’izy ireo.



