SamihafaSosialy

FANASANA TANANA: Miantoka ny 99 % amin’ny fiadiana amin’ny valanaretina

Zary lasa fahazaran’ny tsirairay tao anatin’ny vanim-potoan’ny krizy ara-pahasalamana ny manasa tanana amin’ny rano sy savony. Saika ahitana ireny fitaovana fanasana tanana ireny avokoa ireo toerana hifamezivezena rehetra, na biraom-panjakana izany, na tsy miankina. Fomba fanao izay azo ambara ho fahazarana tsara satria miaro amin’ny mety ho fahazoana tsimokaretina maro samihafa. Araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Rano, fidiovana, fanadiovana, miantoka ny 99 % amin’ny fiadiana amin’ny valanaretina ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony. Omaly, 15 Oktobra, no nankalazaina ny andro maneran-tany ho an’ny fanasana tanana amin’ny rano madio sy savony ka anisan’ny nanamarika izany isika teto Madagasikara. Nanamarihana ny hetsika, nisy ny fiaraha-mientana izay natao teny anivon’ireo toeram-piasana, sekoly hatrany anivon’ny ireo fokontany manerana ny nosy mba ho mariky ny firaisan-tsaina sy fiombonana  amin’ny maha sarobidy ny fanasana tanana. Tsy mijanona eo amin’ny fahadiovan’ny tanana irery ihany, fa ilaina ihany koa ny miaina amin’ny fahadiovan’ny isam-batan’olona sy mba hiitaran’izany eny amin’ny ireo toerana hifaneraserana rehetra. Ny fanasana tanana izay antoka voalohany ho an’ny fahadiovana sy fahasalamana ho an’ny tsirairay ka ilaina fahazarana hatrany.

Ho antsika eto Madagasikara kosa, nanambara ny minisitry ny Rano, Fanadiovana sy ny Fidiovana, Voahary Rakotovelomanantsoa, omaly, fa hisy ny fankalazana ofisialy manokana  ho an’ny fanasana tànana amin’ny rano sy savony, izay ho tanterahana ny 22 okotobra, any Mandoto. Io hetsika manaraka io izay atao mba hahafahana manentana ireo olona eny ifotony.

 

Tsiferana (mpianatra asa)

Fermer