PolitikaSongadim-baovao
FANAKANANA NY FIFIDIANANA LOHOLONA:Tapi-dalan-kaleha Rivo Rakotovao sy ny ekipany
Fanapahan-kevitra nandrasan’ny besinimaro tao anatin’ny andro maromaro ny mahakasika ny fitorian’ireo senatera 16 avy amin’ny fanoherana, sy ny fiarahamonim-pirenena Kmf/Cnoe, momba ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny 11 Desambra izao. Azo raisina fa tsy mitombina, hoy ny HCC, ireo fitoriana ireo. Dikany, tsy misy fiovana ny zotram-pifidianana rehetra efa voalamina hatrizay, ary manaraka ny Lalàm-panorenana ny fanatanterahana izany.
“Game Over”. Tapitra ny lalao ho an-dRakotovao Rivo sy ny ekipany. Araka ny fanapahana laharana 17-HCC/D3, ny 16 Oktobra, mahakasika ny fitoriana napetraky ireo Loholona 16 noho ny fanaikan’ny Governemanta ireo mpifidy vaventy amin’ny 11 Desambra, dia nilaza ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana fa tsy mitombina. Nilaza ny avy eo anivon’ny HCC fa tsy misy fanoherana ny lalàm-panorenana mihitsy ny zotram-pifidianana rehetra efa nirosoan’ny Fanjakana foibe. Ary misy koa antony maromaro tsy maintsy hirosoana amin’izany, na teo aza ny filazana fa mbola tsy feno ireo mpifidy vaventy, sy ny hanaovana ny fifidianana amin’ny fotoam-pahavaratra. Nosokajian’ny HCC ho antony tsy azo anoharana no tsy maintsy hirosoana amin’ity fifidianana ity. Fotoana izay nanamafisany fa efa madiva hifarana ny fe-potoam-piasan’ireo Loholona am-perinasa ankehitriny ireo. Ny fanitarana izany fe-potoam-piasana izany no fandikana ny Lalàm-panorenana, hoy ny HCC. Mahakasika ny fanaovana ny fifidianana ao anaty vanim-potoan’ny fahavaratra, nilaza ny HCC fa mpifidy vaventy no hifidy fa tsy ny vahoaka malagasy iray manontolo ka tsy hisy fiantraikany amin’ny fifidianana ny toetrandro.
Nikasa hanafoana ilay didim-panjakana noraisina
Raha tsiahivina, nisy ny fitoriana nataon’ny Senatera 16 avy amin’ny fanoherana, mikasika ny didim-panjakana laharana 2020 -1110 nivoaka tamin’ny 09 septambra 2020 miantso ny mpifidy vaventy amin’ny 11 desambra 2020 hifidy izay noraisin’ny fitondram-panjakana. Rakotovazaha Olivier, Filohan’ny vaomiera misahana ny lalàna, ny asa-panjakana, ny asa sy lalàna sosialy, no nitarika ny fametrahana izany ny Alarobia 16 septambra 2020. Nolazain’ity Senatera ity tamin’izany fa nisy tsy fanarahan-dalàna sy ny tsy fanajana izay voasoratra ao anatin’ny lalana fehizoro mifehy ny Antenimierandoholona vokatr’iny fanapahan-kevitry ny Governemanta iny. Isan’izany ny ao amin’ny adininy faha 80 izay mitaky ny fisian’ny mpifidy vaventy avy amin’ny faritany , faritra ary avy amin’ny kaominina miaraka amin’ny ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra mifandray amin’ireo mpifidy vaventy ireo sy ny voalaza ny adininy faha 127 amin’io lalàna fehizoro io ihany ny mikasika ny fifidianana tamin’ny 2015. Ny tanjon’izy ireo tamin’ny fitoriana dia ny hanafoanana an’io didim-panjakana noraisina, izany hoe, ny hanakanana ny fifidianana hatao amin’ny 11 Desambra. Notsipahin’ny HCC anefa izany. Tapi-dalan-kaleha tanteraka, noho izany, ireto senatera mpanohitra ireto, izay tarihin’i Rivo Rakotovao.




