Non classé
Sokajiana olona marefo: Maherin’ny 100 isan’andro ireo olona mitily momba ny diabetika
Ny olona diabetika dia tena atahorana fatratra, manoloana ny fiatrehana ny valanaretina coronavirus. Raha ny fanadihadiana, sokajiana ho olona marefo izy ireo, ka mila mitandrina fatratra, ao anatin’ny ady atrehina. Arahina fatratra, araka izany, ny torohevitra omen’ny dokotera, indrindra ho an’ilay olona diabetika sy ny fianakaviany. Ny diabeta dia toe-tena tsy fahaizan’ny vatana mampiasa ny siramamy entin’ny sakafo, ary mety hiteraka fiakaran’ny siramamy maharitra. “Tsy tokony hahafaty ny diabeta, saingy matetika ny fiakaran’izany no manimba ny taova ao anatin’ny vatana. Io fikorontanan’ny diabeta amin’ny vatana io, dia mampirongatra ireo karazana “infection” isan-karazany “, hoy ny dokotera Ramamonjisoa Haja Tale eo anivon’ny Amadia. Nasongadiny fa 60 ka hatramin’ny 80 isan’andro eo ireo manao fitiliana eny amin’ny Amadia, amin’ny andavanandro, momba ny resaka diabeta. Nandritra ny fotoan’ny valanaretina covid-19, tafiakatra hatrany amin’ny 100 mahery ireo olona manao fitiliana eny an-toerana, raha ny nambarany, ny farany herinandro lasa teo. Misy amin’ireo olona manao fitiliana eny an-toerana, dia nahitana soratr’aretina, ary manodidina ny folo isan’andro eo. Isan’ny fisorohana ny ady amin’ny valanaretina mahery vaika ity, dia ny lafiny fanadiovana, satria io no fototra voalohany entina miady aminy..
Atokana ireo olona tena ahina…
Ho an’ny Ivon-toeram-pitsaboana Amadia, raha misy amin’ireo olona tonga eny an-toerana manao fitiliana, ka ahitana ny soratr’aretina, dia atokana avy hatrany ireo olona ireo. “Miantso ny toeram-pitsaboana manokana mahakasika ny valanaretina covid-19 izahay, mba haka azy aty aminay, raha toa ka tsy manana ny fahefana hanao izany ilay olona marary. Ankoatra izay, omena arotava sy fiarovana ilay olona nahitana soratr’aretina, tsy hanaparitahany ny tsimokaretina. Tsy hadinoana avy hatrany ny manadio ny toerana”, hoy hatrany ny fanazavan’ny Dokotera Ramamonjisoa Haja, Tale eo anivon’ny Amadia. Ho an’ireo olona diabetika, dia misy ny fambara manokana ho azy ireo, ka tsara ny hahalalany izany. Ho an’ireo olona tsy mahalala ny toe-batany, dia entanina mandrakariva izy ireo, hanatona ny Ivon-toerana miandraikitra izany, toy ny Amadia na any amin’ireo dokotera manana fahaiza-manao momba ny resaka diabeta.
Isan’ny soratr’aretina eo amin’ireo olona diabetika dia ny fisiana fahasemporana ary eo koa ny fiakaran’ny hafanany. Mety tsy miseho koa io hafanana io, fa trangan-javatra hafa no miseho, toy ny fiakaran’ny tosidra avo dia avo; manindrona mifanandrify amin’ny fo na eo amin’ny tratra. Raha mitranga amin’ireo olona diabetika ny soratr’aretina tahaka ireo, dia mila manatona ireo toeram-pitsaboana manokana, ary tsy tokony ho tara mihitsy, mba hialana amin’ny fahasarotana amin’ny fitsaboana ny aretina.


