
Fanadihadiana Manokana
FIATREHANA BAKALOREA 2020 : Ilaina ny fitonian’ny mpianatra miatrika fanadinana
Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena ny afakomaly lasa teo, tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava. Nisongadina ny fiatrehana ny fanadinana bakalorea, isorohana ireo karazana korontana isan-karazany. Ilaina ny fitonian’ny mpianatra miatrika ny fanadinana bakalorea. Fanadihadiana…

Tsy mbola misy manaporofo fa nisy fivoahana laza adina bakalorea eran’i Madagasikara! Io avy hatrany no nambara sy nohamafisin’ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, taorian’ny tranga niseho tany amin’ny faritra Sava, tao amin’ny distrikan’Antalaha. Toraka izany koa tao amin’ny distrikan’Ihorombe. Fanakorontanana saim-bahoaka amin’ny ankapobeny, araka izany, no niseho tao Antalaha, ny herinandro lasa teo, fa indrindra ireo mpianatra hanala fanadinana bakalorea. Voalazan’ny fanadihadiana nataon’ny Zandarimariam-pirenena, fa laza adina amin’ity fanadinana bakalorea taona 2020 ity no nalaza tao an-toerana fa naparitak’izy ireo tamin’ny namany, tao amina tambajotran-tserasera, ka nampiroaroa saina ny maro. Nohamafisin’ny Talen’ny fandriampahalemana sy ny angom-baovao (DSR) eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, Kolonely Ravoavy Zafisambatra fa
fanakorontanana saim-bahoaka io nitranga tany an-toerana io, satria tsy misy manaporofo hatreto fa misy ny laza adina nivoaka. Nizotra antsakany sy andavany ny fanaterana ireny laza adina ireny isam-paritra, ary hihamafy noho izany ny fiarovana ny fizotran’ny fanadinana amin’ireny ivon-toeram-panadinana tsirairay sahanin’ny zandary manomboka androany ireny”.
Araka izany, manaitra ny fahamailoan’ny rehetra ny tompon’andraikitra eo anivon’ny zandarimaria, amin’ny mety ho fandrebirebena ataon’ny sasany mivantana na an-kolaka, mikasika izay fivoahan’ny laza adina izay, fa ny fiatrehana ny fanadinana am-pitoniana kosa, no tokony himasoan’ny rehetra. Niroso tamin’ny fisamborana ireto olona miisa telo, izay voalaza fa mpampianatra sy mpianatra telo ireto, ny mpitandro filaminana, ary nanolotra azy ireo teo anatrehan’ny fampanoavana, taorian’ny fanadihadiana natao ny sabotsy teo, ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Mila mitandrina manoloana fanakorontanan-tsaina…

Maro ireo mamorona vaovao tsy marina amin’izao fandehanan’ny fanadinana bakalorea eran’ny Nosy izao, ka isan’izany ity nitranga tao Antalaha sy Ihorombe ity. Tsy vitsy koa ireo mora alaim-panahy hanaparitaka vaovao tsy marim-pototra amin’ny endriny samy hafa, ka tokony hitandreman’ny tsirairay. Manoloana izany, hentitra ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, araka ny toromarika nomen’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, eo amin’ny fandraisana fepetra isan-karazany tsy maintsy raisina manoloana ny fiatrehana fanadinam-panjakana toy izao. Nambaran’ny Kolonely Ravoavy hatrany, fa efa nisy ny fandraisana fepetra niaraka tamin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, nandraisana fepetra hisorohana ny mety ho fiparitahana laza adina izay. Eo amin’ny fametrahana fandriam-pahalemana amin’ny ankapobeny indray, fepetra henjana no horaisin’ny zandarimaria avy amin’ny alalan’ireo sampan-draharaha samihafa mpanao fikarohana, amin’ireny mpanao fihetsika tsy maontina anaty tambazotra ireny, ary hosamborina hatramin’ireo mpiray tsikombakomba ka hatolotra ny fitsarana. Mitovy tahaka ity nitranga tao Antalaha koa no niseho tany Ihorombe, saingy tsy mbola fantatra ireo olona nanaovana fanadihadiana, hatreto.

Hentitra ny fepetra…
Nanambara ny Tale jeneralin’ny fampianarana ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, ny Pr Rajaonarison Jean François “ fa efa tomombana avokoa ny laza adina. Efa vonona ny laza adina ary tafapetraka eny aniovn’ny toerana handraisana azy mialoha ny fanadinana”. Nasongadiny fa hentitra ny fepetra hisorohana ny olana isan-karazany mety hitranga amin’ny fanatontosana fanadinana. Raha ny angom-baovao, mahatratra 164 338 ny isan’ireo mpiadina miatrika ny fanadinana bakalorea mandritra ny taom-pianarana 2019-2020. Ho an’ireo mpiadina manerana ny Nosy, mahatratra 154 197 ireo mpiadina amin’ny Fampianarana ankapobeny, raha miisa 101 41 ireo mpiadina avy amin’ny teknika. Hajaina hatrany ny fepetra ara-pahasalamana satria mbola ao anatin’ny “Hamehana ara-pahasalamana” ny eto amin’ny Firenena.
Rado Harivelo & Stan R.